Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 9:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Na dia misy mitaiza aza ny zanany dia hofoanako ihany ireny mialoha ny maha lehibe azy. Eny, hahita loza tokoa izy amin’ny handaozako azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Na hitaiza ny zanany aza izy, hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, Ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin'ny handaozako azy!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Na dia misy mitaiza aza ny zanany dia hofoanako ihany ireny mialoha ny maha lehibe azy. Eny, hahita loza tokoa izy amin’ny handaozako azy!

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 9:12
23 Rohy Ifampitohizana  

Dia vinitra tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanaisotra azy tsy ho hitan’ny masony. Ny fokon’i Joda ihany no sisa tafajanona.


Farany dia nesorin’ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.


Na mitombo isa aza ny taranany, dia ho fatin-tsabatra; ary ny zanany tsy hanan-kohanina.


Naparitako tamin’ny fitaovana fikororohana ny tao amin’ny isan-tanàna teo amin’ny tany, tsy nomeko zanaka fa naringako ny oloko, nefa tsy novany ny fitondrantenany.


Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana.


TOMPO ô, jereo ka diniho ity nanaovanao ny vahoakanao! Vehivavy ve no handeha hihinana ny zanany naterany sy nokoloiny? Ny mpisorona sy ny mpaminany ve dia hovonoina eo amin’ny Toeramasinao?


Toy ny amin’ny andro fety, TOMPO ô, dia nantsoinao ireo mpampihorohoro manodidina ahy; ka tamin’ny androm-pahatezeranao dia tsy nisy sisa velona na afa-nitsoaka, fa ireo ankizy notezaiko sy nokoloiko dia naripaky ny fahavaloko avokoa.


«Lozan’ireo olon’i Efraîma, satria nandositra Ahy izy. Faharavana no eo aminy, satria nikomy tamiko izy! Ny tenako dia te hanavotra azy; fa izy kosa milaza lainga, isaky ny miteny momba Ahy.


I Efraîma, araka ny hitako, dia manao ny zanany ho toy ny fihaza ka mamela azy hisehatra ny mpamono azy ho faty.»


Voavely i Efraîma: maina ny fàkany ka tsy hamoa intsony izy. Na dia miteraka aza ny vehivavy ao aminy, dia hataoko maty ihany ny malala naloaky ny kibony.»


Hoesorin’ny TOMPO tsy ho anisan’ny taranak’i Jakôba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao aza!


Efapolo andro no nisafoanareo ny tany; koa dia mandritra ny efapolo taona kosa no hitondranareo ny vokatry ny fahotanareo, izany hoe taona iray isaky ny andro iray. Ka dia ho fantatrareo tsara ny dikan’ny faniniako anareo.


satria ny TOMPO efa nilaza fa ho faty any an-taniefitra ireo. Koa tsy nisy niangana tamin’ireo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin’i Jefone ary i Josoa zanakalahin’i Nona.


Tsy ho maro anaka ianareo; tsy hiavosa ny vokatry ny taninareo, ary tsy ho maro taranaka ny omby sy ondry aman’osinareo.


ny zanakalahinareo sy zanakavavinareo hafoy ho an’ny firenena hafa ka ny masonareo hipitrapitra sy ho valalanina manontolo andro noho ny alahelo azy, fa tsy hahefa na inona na inona ny tananareo.


Dia hirehetan’ny fahatezerako amin’izany andro izany ity vahoaka ity ka hilaozako ary hanafenako ny tavako; hataon’ny olona levona izy sady hianjadian’ny loza amam-pahoriana maro. Amin’izany andro izany no hitenenan’ny Israelita hoe: «Noho Andriamanitra tsy eto aminay no mahatonga anay hianjadian’izao fahoriana izao!»


Eny ivelany, dia ny sabatra no handringana; ao an-trano, dia ny tahotra no hahafaty. Ka samy hiharan’izany avokoa na zatovolahy na zatovovavy na zazakely na beantitra.»


Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.


Nandao an’i Saoly ny Fanahin’ny TOMPO, ka dia fanahy ratsy avy amin’ny TOMPO no tonga nampahory azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra