Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 31:2 - Baiboly Katolika

2 Izao no lazain’i Iaveh: Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra; ta-hanome fitsaharana an’i Israely aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Izao no lazain’NY TOMPO: Nahita fitia any an-tany efitra ny olona izay sisa tsy matin’ny sabatra; mandroso ho amin’ny fitsaharana Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Izao no lazain’ny TOMPO: «Tany an-taniefitra no nanehoako hatsaram-po ny vahoaka sisa tsy matin’ny fandringanana. Hizotra milamina amin’izay i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Izao no lazain’ny TOMPO: «Tany an-taniefitra no nanehoako hatsaram-po ny vahoaka sisa tsy matin’ny fandringanana. Hizotra milamina amin’izay i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Izao no lazain’i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin’ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Izao no lazain'i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Izao no lazain’NY TOMPO: Nahita fitia any an-tany efitra ny olona izay sisa tsy matin’ny sabatra; mandroso ho amin’ny fitsaharana Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 31:2
32 Rohy Ifampitohizana  

Nampandeha toy ny ondry, ny vahoakany, nentiny tany an’efitra toy ny andiam-biby fiompy.


Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.»


ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha mampivelona ny vehivavy Hebrio ianareo ka hitanareo eo amin’ny seza roa sosona izy, raha lahy, dia vonoy, fa raha vavy kosa, dia azo avela ho velona.»


Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.»


«Niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha an-tongotra afa-tsy ny ankizy.


Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.


Dia hoy ny navalin’i Iaveh: «Ny Tavako no handeha hiaraka aminao, ary homeko fitsaharana ianao».


ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»


«Mandehana, ataovy antso avo ho ren’i Jerosalema izao teny izao:» Izao no lazain’i Iaveh: «Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko, fony ianao mbola tanora, ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra, tany amin’ny tany tsy famafazana.


Hoentiko ho any an’efitry ny firenena ianareo, dia any no hifandaharako aminareo mifanatrika.


Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana; mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy.


Nony niala tany an-tendrombohitr’i Iaveh izy ireo dia nandeha lalan-kateloana, ary nandritra izany dia, nandehanany hateloana izany, dia nandroso teo alohany ny fiaran’ny faneken’i Iaveh nitady fitoerana hialan-tsasatra ho azy ireo.


Ary hoy i Iaveh: «Mamela araka ny hatakao Aho.


Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.


fa i Iaveh Andriamanitrareo izay mandeha eo alohanareo, dia Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra efa nataony ho anareo tany Ejipta teo imasonareo,


izay nandeha teo alohanareo teny an-dalana, hitady toerana hitobianareo: ny alina Izy teo amin’ny afo hanoro lalana nety halehanareo; ny antoandro indray teo amin’ny rahona.»


fa izao ianareo tsy mbola tonga amin’ny fitsaharana aman-dova omen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.


Fa efa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, tamin’ny asan’ny tananao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao i Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory ianao na inona na inona.


izay nanome mana hohaninao tany an’efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao, ary hanisy soa anao any aoriana,


«Tsarovy ny nandidian’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, anareo nanao hoe: Efa nomen’i Iaveh fitsaharana ianareo, sy nomeny ity tany ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra