Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 8:8 - Baiboly Katolika

Voatelina i Israely: izy ireo ankehitriny, eny amin’ny firenena nanjary toy ny zavatra tsinontsinona;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Voatelina ny Israely! Ankehitriny dia tonga tahaka ny fanaka tsy misy vidiny izy any amin’ny Jentilisa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Voatelina i Israely; ary indro izy efa tonga toy ny fanaka tsy misy vidiny any amin’ny hafa firenena.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Voatelina i Israely; ary indro izy efa tonga toy ny fanaka tsy misy vidiny any amin’ny hafa firenena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ny jentilisa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Voatelina ny Israely! Ankehitriny dia tonga tahaka ny fanaka tsy misy vidiny izy any amin’ny Jentilisa*.

Jereo ny toko



Hosea 8:8
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria i Israely, ka namponeniny tao Halà, teo amoron’i Habôra, onin’i Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda,


Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy, izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa, ary ny vakiny tsy hahitana silany akory mba hakana afo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-dobo.


Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekôniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?


Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna, mihosinkosena amin’ny vovoka, ianareo lehiben’ny ondry, fa tapitra amin’ny famonoana ny andronareo; hamely anareo Aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy ianareo.


Eny ambony tafon-trano rehetra sy eny amin’ny kianja ao Moaba, tsy misy afa-tsy figogogogoana fotsiny; fa nomontsaniko i Moaba hoatra ny fanaka tsy ahoan’ny olona intsony, - teny marin’i Iaveh. -


I Israely dia ondry mania izay nohazain’ny liona: ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan’i Asiria; ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela.


Nandany ahy, nandevona ahy, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela; nampitsatoka ahy teo, toy ny vazy foana, nitelina ahy, toy ny dragona; nameno ny kibony, tamin’ny nahandroko tsara indrindra, dia nandroaka ahy.


Misanasana vava mamely anao ny fahavalonao rehetra; misitrîsitra mikitro-nify, manao hoe: «Nolevonintsika izy! Ity no ilay andro nandrasantsika, tratrantsika izy, hitantsika izy!»


Noravan’ny Tompo, tsy nananany antra, ny fonenan’i Jakôba rehetra. Narodany tamin’ny hatezerany ny mandan’ny zanaka vavin’i Jodà. Nazerany amin’ny tany ireo; nohamavoiny ny fanjakana ama-mpanjaka.


Nanao toy ny fahavalo ny Tompo: I Israely noravany; ny lapany noravany avokoa; ny mandany narodany; ny fijalian’ny zanaka vavin’i Siôna notongoaviny fijaliana.


Ireo zanaka lahin’i Siôna, miendrik’andriana indrindra, voatombana an-danjam-bolamena madio, ka ahoana no natao toy ny vilany tany, asan-tanan’ny mpanefy vilany?


Ny lovanay, lasan’ny hafa firenena, ny tranonay, lasan’ny olon-tsy fantatra.


Noho izany dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny andravan’ny olona sy nanitsakitsahan’ny tongony anareo, hatraiza hatraiza, mba hahatongavanareo fananan’izay sisa amin’ny firenena, ary noho ianareo tonga fitenenan’ny vava mitsaontsaona, sy firesaka ratsin’ny olona;


Ianareo haparitako any amin’ny firenen-kafa, hoenjehiko amin’ny sabatra avy eo aoriana; ny taninareo ho lao ary ny tanànanareo ho zary efitra.


Koa maninona, raha te hampiseho ny fahatezerany Andriamanitra, sy te hampahafantatra ny heriny, ka mbola naharitra tamim-pandeferana lehibe an’ireo fanaky ny fahatezerana nanoman-tena ho an’ny fahaverezana?


Hataon’i Iaveh resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany, ary ho zavatra mahatsiravina ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.


Haelin’i Iaveh any amin’ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany ianao, ary any dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo tsy fantatrao na fantatry ny razanao akory.