Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 50:17 - Baiboly Katolika

17 I Israely dia ondry mania izay nohazain’ny liona: ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan’i Asiria; ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ondry iray very lalana ny Israely, liona no nanenjika azy. Ny voalohany nandany azy dia ny mpanjakan’i Asiria, ary ny farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ity izay nanapatapaka ny taolany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan’i Asyria no nandany azy, Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:17
38 Rohy Ifampitohizana  

Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.


Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.


Fony fahavelony dia lasa niantafika i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ka nanoa azy telo taona i Jôakima; fa niodina taminy indray izy.


Niakatra hamely an’i Jerosalema ny mpanompon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna tamin’izany, ka natao fahirano ny tanàna.


Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana fahafolo, andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny rehetra; dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy.


Tonga namely azy i Telgata-Falasara mpanjakan’i Asiria, nampiseho halozana taminy, fa tsy nampahery azy.


Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hamely azy ireo ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asiria, nosamborin’ireo i Manase tamin’ny masom-by, nogiazany tamin’ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilôna.


Satria feno ra ny ranon’i Dimôna. Fa hampiavy tombon-doza amin’i Dimôna aho, hampiavy liona ho amin’izay sisan’i Moaba, dia amin’izay tavela ao amin’ny tany.


Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hozimbaina ny lovako, dia natolotro ho eo an-tananao izy. Tsy nanananao antra izy; nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.


Ny firenena tsy mahalala Anao no rotsahy ny fahatezeranao, dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao; fa nolanîny i Jakôba dia nolanîny, vitainy izy, ary ny fonenany ravany!


Mierona hamely azy ny liona tanora, sy miloa-peo mafy, ka mahatonga ny taniny ho lao. Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony.


Manaraka izany, - teny marin’i Iaveh, - hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory.


Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin’ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.


Indro izy, miakatra sahala amin’ny liona avy ao an-kirihitralan’i Jordany izay misy vilona mandrakariva; ka hampandosiriko tampoka hiala ao Edôma, dia ilay voafidiko no hapetrako ao. Fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy? ary iza moa no mpiandry ondry hifanandrina amiko?


Holanìny ny haninao amam-bokatrao; holanìny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; holanìny ny ondry aman’ombinao; holanìny ny voalobokao aman’aviavinao; horavany amin’ny sabatra ny tanànanao mimanda izay nitokianao.»


Noho izany ny liona avy any an’ala mamely azy; ny amboadia avy any an’efitra mandringana azy; ny pantera mamitsaka eo anoloan’ny tanànany, ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa; satria efa maro ny hadisoany, ary efa betsaka ny fiodinany.


Efa andian’ondry nanjiona ny oloko, narebirebin’ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodòka; nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy, ka nanadino ny valany.


Indray mitrerona hoatra ny liona izy rehetra; sy mikaonkaona toa zana-diombavy.


Ary 21 taona i Sedesiasa fony izy tonga mpanjaka; ary 11 taona izy no nanjaka tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amita, zanaka vavin’i Jeremia, avy ao Lobnà.


Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.


Na dia ny mpanompo lahy ama-mpanompo vavy aza, handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.


Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra