Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 50:16 - Baiboly Katolika

16 Aringano ao Babela izay mamafy, sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny andro fararano. Eo anatrehan’ny sabatra mpandringana samia mihodina ho any amin’ny fireneny avy; samia mandositra ho any amin’ny taniny avy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Aringano tsy ho any Babilona ny mpamafy sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny fararano; fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Foany ao Babilôna ireo mpamafiny sy ireo mpijinjany amin’ny fararano; manoloana ny ady mahatsiravina, dia aoka samy hody any amin’ny fireneny avy izy ary samy handositra any amin’ny taniny avy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Foany ao Babilôna ireo mpamafiny sy ireo mpijinjany amin’ny fararano; manoloana ny ady mahatsiravina, dia aoka samy hody any amin’ny fireneny avy izy ary samy handositra any amin’ny taniny avy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy Sy izay mitana fijinjana amin’ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy, Ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin'ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin'ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin'ny taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Aringano tsy ho any Babilona ny mpamafy sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny fararano; fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin’ny taniny.


Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy; ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra, eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava, eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»


Hamaroiny ny isan’izay tafintohina, ka lavo mifanindry ireny, sady manao hoe: «Mitsangàna isika, miverena any amin’ny firenentsika, sy any amin’ny tany nahaterahantsika, lavitra ny sabatra mahafaty olona.»


Ianao no anorotoroako ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny; ianao no anorotoroako ny mpiasa tany sy ny omby entiny miasa; ianao no anorotoroako ny governora ama-mpanjaka.


Efa nitady hanasitrana an’i Babela isika, nefa tsy sitrana izy; ka avelao izy, fa andao isika ho any amin’ny tanintsika avy. Satria mahatakatra ny lanitra ny fitsarana azy, sy tafapaka hatrany amin’ny rahona.


Mangaihaiza, ry mpiasa tany, midradradradrà ry mpamboly voaloboka, noho ny amin’ny vary sy ny orja; satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.


Koa izao no lazain’i Iaveh, ny Andriamanitry ny tafika, ny Tompo: Hisy hidradradradra eny amin’ny kianja rehetra eny: hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! eny an-dalambe rehetra eny; hisy hiantso ny mpiasa hisaona, sy higogogogo, miaraka amin’izay mahay midridridridry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra