Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 30:14 - Baiboly Katolika

14 Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy, izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa, ary ny vakiny tsy hahitana silany akory mba hakana afo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-dobo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Hopotipotehina tahaka ny fahapotipotiky ny vilanin’ny mpanefy tanimanga izy; homontsamontsanina tsy misy indrafo; ary tsy hisy vakiny ho tavela ka mbola ho azo angalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Lasa potipotika ilay manda toy ny vilanin’ny mpanefy tanimanga, izay voadona ka montsamontsana: tsy hahitana intsony na dia silany iray mba hangalana vainafo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-kamory.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Lasa potipotika ilay manda toy ny vilanin’ny mpanefy tanimanga, izay voadona ka montsamontsana: tsy hahitana intsony na dia silany iray mba hangalana vainafo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-kamory.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ny vilanin’ny mpanefy tanimanga, Raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vàkiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, Na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 30:14
25 Rohy Ifampitohizana  

Fafazan’Andriamanitra ny zana-tsipìkany, tsy ananany antra izy; Ka taitra mandositra tsy ho tratry ny tanany;


Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».


Nataon’ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baràka, ho enta-mavesatra ho an’ny mifanolo-bodirindrina amiko, ary ho tahotra ho an’ny sakaizako. Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy,


Koa ho avy tampoka ny faharavàny; ho torotoro tampoka tsy azo sitranina izy.


Rehefa maina ny rantsan-kazo dia tapahina; ka dia avy ny vehivavy hitaina azy. Fa firenena tsy hendry izy, ka tsy hamindra fo aminy Ilay nanao azy, ary tsy hiantra azy Ilay namorona azy.


Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.


Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin’ny herin’ny lelafo; fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany!


ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo, hoy i Iaveh, ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra, sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana; hafatrako ao an-tratrany, ny valin’ny fitondran-tena nataony.


Ary hampifandòniko ho vaky izy ireo, dia ny ray mbamin’ny zanany rehetra, - teny marin’i Iaveh; - tsy hotsitsiko, tsy hananako antra, tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.»


Eny ambony tafon-trano rehetra sy eny amin’ny kianja ao Moaba, tsy misy afa-tsy figogogogoana fotsiny; fa nomontsaniko i Moaba hoatra ny fanaka tsy ahoan’ny olona intsony, - teny marin’i Iaveh. -


Ireo zanaka lahin’i Siôna, miendrik’andriana indrindra, voatombana an-danjam-bolamena madio, ka ahoana no natao toy ny vilany tany, asan-tanan’ny mpanefy vilany?


Izaho Iaveh no niteny, ho tonga izany ary hotanterahiko: tsy hiahotrahotra Aho, na hitsimbina, na hanenina, Hotsaraina araka ny nataonao sy ny helokao be vava ianao, - teny marin’ny Tompo Iaveh.


Koa amin’izany, velona Aho - teny marin’i Iaveh Tompo; - noho ianao nandoto ny fitoerako masina tamin’ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra nataonao; Izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo Aho.


Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo Aho, fa hatambesatro aminao ny asanao; ary ho eo afovoanao ny fahavetavetanao; dia ho fantatrao fa Iaveh, Aho.


Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo Aho, hitambesatra aminao ny asanao; ho eo afovoanao ny fahavetavetanao. Dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no mamely!


Ary Izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra fo Aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.»


Izaho koa, dia tsy hiantra ny masoko; ary tsy hamindra fo Aho; hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony.»


sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany.


Satria, raha ny tena sampana aza tsy notsitsin’Andriamanitra, matahora fa tsy hitsitsy anao akory Izy.


Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?


Hosarahin’i Iaveh amin’ny fokon’i Israely rehetra izy, ka hatolony amin’ny loza, araka ny fanozonana momba ny fanekena voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.


hifehy azy amin’ny tehim-by izy, hanorotoro azy, toy ny vilany tany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra