Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 8:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Voatelina i Israely; ary indro izy efa tonga toy ny fanaka tsy misy vidiny any amin’ny hafa firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Voatelina ny Israely! Ankehitriny dia tonga tahaka ny fanaka tsy misy vidiny izy any amin’ny Jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Voatelina i Israely; ary indro izy efa tonga toy ny fanaka tsy misy vidiny any amin’ny hafa firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Voatelina i Israely: izy ireo ankehitriny, eny amin’ny firenena nanjary toy ny zavatra tsinontsinona;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ny jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Voatelina ny Israely! Ankehitriny dia tonga tahaka ny fanaka tsy misy vidiny izy any amin’ny Jentilisa*.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 8:8
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria ny Israelita ka napetrany tao amin’i faritr’i Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary tao amin’ireo tanànan’i Media.


Lasa potipotika ilay manda toy ny vilanin’ny mpanefy tanimanga, izay voadona ka montsamontsana: tsy hahitana intsony na dia silany iray mba hangalana vainafo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-kamory.»


Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»


Midradradradrà, ianareo mpitondra, manaova antsoantsom-pitarainana; mihosinkosena amin’ny tany, ianareo mpiandraikitra andian’ondry, fa tonga ny andro hamonoana anareo ho faty! Hataoko montsamontsana ianareo, ka ho toy ny fanaka sarobidy nianjera.


Tsy misy afa-tsy hira fitomaniana no re eny an-tampon-trano rehetra ao Môaba sy eny an-kianja. –«Nopotehiko toy ny fanaka tsy ilaina i Môaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»


I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.


«Nandripaka sy nitsentsitra ahy i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna; dia napetrany toy ny vilia nolelafina aho. Tahaka ny fitelin’ny mamba no nitelemany ahy, ka ny tsokako no namenoany ny kibony; izay aho vao naloany.


Misoka-bava hankaloza anao ny fahavalonao rehetra, velon-tsioka sy mihidy vazana izy ary miteny hoe: «Nataontsika levona io! Tonga izao ny andro nandrasantsika; tratrantsika izany ary hitantsika ihany!»


Naripaky ny Tompo tsy nisy indrafo avokoa ny fonenan’ireo taranak’i Jakôba. Noravany tam-pahavinirana ny tanànamimandan’i Joda. Nazerany amin’ny tany sy nalany baràka ny fanjakana sy ny mpitondrany.


Tonga toy ny fahavalonay ny Tompo, ka nandripaka an’i Israely; nandripaka ireo lapany rehetra Izy ary nandrodana ireo mandany ka nampitombo sento sy taraina manerana ny vahoakan’i Joda.


Indrisy! Ireo vaton’i Tsiôna izay sarobidy sady manan-danja toy ny volamena madio dia tonga mitovy vidy amin’ny siny tany, asan-tanan’ny mpanefy tanimanga?


Lasan’ny hafa ny tanindrazanay, lasan’ny vahiny ny tranonay.


Ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry Ezekiela, ary ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tsapako fa ny tany manodidina dia nifofotra handrava sy nitsiriritra ireo tendrombohitr’i Israely; ka efa lasa fananan’ny firenen-kafa izy ary efa nataony oha-pitenenana sy faneso!›


Ianareo kosa, ady no hapoakako hamelezana anareo ka haeliko any amin’ny firenen-kafa ianareo; dia ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo.


Na dia te haneho ny fahatezerany sy te hampahafantatra ny heriny aza Andriamanitra, dia be fahari-po ka nandefitra tamintsika izay fanaka mendrika hirehetan’ny fahatezerany sy tokony hosimbana.


Hatolotry ny TOMPO horesen’ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.


Dia haelin’ny TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra