Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 8:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Nandeha niakatra tany Asiria izy; mahay mizaka tena ny borikidia, fa mividy sakaiza ho azy kosa i Efraîma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa niakatra ho any Asiria izy, toy ny borikidia mandeha irery. I Efraima dia nandoa vola tamin’ny olon-tiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Nandeha niakatra tany Asiria izy; mahay mizaka tena ny borikidia, fa mividy sakaiza ho azy kosa i Efraîma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 satria ny tenan’izy ihany no niakatra ho any Asora. Ny ampondra dia monina an-takona; i Efraima kosa nanangy lahy ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny boriki-dia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Fa niakatra ho any Asiria izy, toy ny borikidia mandeha irery. I Efraima dia nandoa vola tamin’ny olon-tiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 8:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Niditra an-keriny tao amin’ny tanin’i Israely i Pola mpanjakan’i Asiria; ka nomen’i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefàm-panjakany.


Tsy manontany Ahy akory ianareo nefa mandeha midina any Ejipta mba hitady fiarovana amin’ny Farao sy fialofana eo ambany alok’i Ejipta.


Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba. Faritra mampahory sy mampitebiteby sady misy liona masiaka mierona ary koa menarana sy dragona manidina no indro vakivakîn’ny olona ka itondrany harena sy zava-tsoa eny an-damosin’ny boriky sy eny ambony trafon’ny rameva hankany amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory.


Toy ny borikivavidia zatra any an-taniefitra ianao: Miandry lahy izy ka manimbolo rivotra, sady maimay erỳ ka tsy misy mahasakana azy. Tsy sahirana akory ireo lahy rehetra mitady azy, fa mahita azy amin’ny volana mahamaimay azy!


Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.


Mamatsy diloilo an’i Ejipta i Efraîma; ka rivotra no ivokisany amin’izany. Manao fifanekena amin’i Asiria izy dia manenji-drivotra avy atsinanana. Tontolo andro no ampitomboiny ny lainga sy ny herisetra.


Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy vary sy divay ary menaka vao sady nampanankarena azy volafotsy sy volamena izay nampiasainy ho an’i Bahala.


Hitan’i Efraîma ny aretiny ary tsapan’i Joda ny feriny; ka nankany amin’i Asiria i Efraîma ary nandefa iraka tany amin’ilay mpanjaka lehibe; nefa tsy nahasitrana anareo izy sady tsy nahafaka ny ferinareo, ry olon’i Efraîma.


I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra