Hosea 4:9 - Baiboly Katolika Ho sahala ny hanjò ireny mpisorona ireny sy ny vahoaka; hofaizako izy, noho ny lalany ary hatsingeriko aminy ny asany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; hovaliako noho ny lalany izy, ary hatsingeriko aminy ny nataony. DIEM PROTESTANTA Kanefa hitovy ny hanjo ny mpisorona sy ny laîka; hofaiziko noho ny fitondrantenany izy, ary hatsingeriko aminy ny ratsy nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa hitovy ny hanjo ny mpisorona sy ny laîka; hofaiziko noho ny fitondrantenany izy, ary hatsingeriko aminy ny ratsy nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny làlany, Ary ny ataony dia hatsingeriko aminy. Malagasy Bible Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy. La Bible en Malgache Ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; hovaliako noho ny lalany izy, ary hatsingeriko aminy ny nataony. |
Ny vokatry ny vavan’ny olona, no hamoky soa azy; ary araka ny asan-tanany avy, no hatsingerina aminy.
Ny ratsy fanahy mihitsoka amin’ny ratsy nataony, ny famatoran’ny fahotany ihany no maningotra azy;
Ary ho sahala ihany no hanjò ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompo sy ny mpanompo, ny tompo vavy sy ny mpanompo vavy, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpisambotra sy ny mpampisambotra.
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Izao koa: Ireo levita nanalavitra Ahy, tamin’ny andro nivilian’i Israely, izay nivily nanalavitra Ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.
Noho izy ireo nanompo azy teo anoloan’ny sampiny vetaveta, sy nandatsaka ny taranak’i Israely tamin’ny heloka, noho izany, dia efa nanangan-tanana hamely azy Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - nianiana fa hitondra ny helony izy.
Ary hoy i Iaveh taminy: «Ataovy hoe Jezrahely ny anarany, fa andro vitsy sisa, dia hovaliako ny taranak’i Jehò noho ny ra nalatsaka tao Jezrahely, ary hotaperiko ny fanjakan’ny taranak’i Israely.
Hofaizako araka ny sitrapoko izy ireo: ary ho tafangona hamely azy ny firenena, rehefa hafatotra amin’ny fahotany roa izy ireo.
I Efraima, mihinan-drivotra, sy manenjika ny rivotra avy atsinanana. Mampiavosa lainga amam-pandozàna mandritra ny andro izy; manao fanekena amin’i Asora izy ireo, ka entina ho any Ejipta ny diloilo.
Manana ady amin’i Jodà koa i Iaveh; efa hamay an’i Jakôba, araka ny lalany izy, sady hamaly azy araka ny asa nataony.
Ary izy ireo tsy misaintsaina akory ao am-pony fa tsarovako avokoa ny faharatsiany. Ankehitriny manodidina azy ny heloka be vava nataony, dia indreo izy eo anatrehako.
Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy, dia ny henan’ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahin’i Iaveh izany. Hahatsiaro ny helok’izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.
Any Galgalà ny faharatsiany rehetra; fa tany no vao nankahalako azy. Noho ny faharatsian’ny ataony, horoahiko hiala ao an-tranoko izy; tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Gabaà; hotsarovan’i Iaveh ny helony, ary hovaliany ny fahotany.
Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»