fa nanao sorona tamin’ny andriamanitr’i Damasa izay namely azy izy, ka nanao hoe: «Ny andriamanitr’ireo mpanjakan’i Siria no mamonjy azy ireo, koa hotolorako sorona dia hamonjy ahy.» Kanjo ireo no tonga fandravana azy sy i Israely rehetra.
Hosea 13:9 - Baiboly Katolika Izao no mahavery anao, ry Israely, dia ianao manohitra Ahy, manohitra an’izay vonjinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ringana ianao, ry Israely ô, satria nanohitra Ahy izay famonjena anao. DIEM PROTESTANTA Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao hianao. Malagasy Bible Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao. La Bible en Malgache Ringana ianao, ry Israely ô, satria nanohitra Ahy izay famonjena anao. |
fa nanao sorona tamin’ny andriamanitr’i Damasa izay namely azy izy, ka nanao hoe: «Ny andriamanitr’ireo mpanjakan’i Siria no mamonjy azy ireo, koa hotolorako sorona dia hamonjy ahy.» Kanjo ireo no tonga fandravana azy sy i Israely rehetra.
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.
Miandry an’i Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy;
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira.
Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.
Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy, fa tsy miery amin’izany akory. Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.
Izany no mahazo anao, moa tsy dia noho ianao nahafoy an’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana?
Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -
Izany no tamby, valin’ny fitondran-tena aman’asa ratsinao; izany no vokatry ny haratsiam-panahinao, ka mangidy! Eny, mihatra amin’ny fo izany!
Ny helokareo no nanakorontana izany filaminana izany; ny fahotanareo no nanala izany soa izany taminareo.»
Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao, hatrany amin’ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao; ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.
Hofaizina i Samaria, fa niodina tamin’ny Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.
Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao, nefa Izaho iambohoany.
Izaho nampianatra azy sy nankahery ny sandriny; Izy ireo kosa misaintsain-dratsy hanoherana Ahy.
Ianareo kosa anefa mandoto azy, amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Iaveh, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona.
Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh.
Ary ankehitriny mifonà amin’Andriamanitra hamindra fo aminareo! Ny tananareo no nahatongavan’izany; moa ho voataonanareo hitsimbina va izy? hoy i Iavehn’ny tafika.
Tsy misy tahaka an’Andriamanitra, ry Jesoròna ô! izay mandia ny lanitra mba ho tonga hamonjy anao, sy mandia ny rahona, amin’ny voninahiny.
Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao! Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh, izay ampingan’ny famonjena anao, sabatry ny voninahitrao. Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao, fa ianao kosa handia ny havoany».