Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 13:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ringana ianao, ry Israely ô, satria nanohitra Ahy izay famonjena anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izao no mahavery anao, ry Israely, dia ianao manohitra Ahy, manohitra an’izay vonjinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ringana ianao, ry Israely ô, satria nanohitra Ahy izay famonjena anao.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 13:9
25 Rohy Ifampitohizana  

Fa ireo andriamanitr’i Damasy, izay andriamanitra nandresy an’i Ahaza, no nanolorany sorona satria hoy izy anakampony hoe: «Nanampy ny mpanjakan’i Siria ireo andriamanitra ireo, ka dia hanolorako sorona koa mba hanampiany ahy.» Kanjo tonga fandravana an’i Ahaza sy ny vahoakany rehetra ireo.


Sambatra izay manana an’Andriamanitra ho Mpitahy, dia ilay Andriamanitr’i Jakôba; sambatra izay mametraka ny fitokiany ao amin’ny TOMPO Andriamaniny:


Miandry ny TOMPO tokoa isika: famonjena sy fiarovana ho antsika Izy.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon’ireo terak’i Kôra.


Adala izay lehilahy mangala-badin’olona; manimba tena ny manao izany.


Fa izay diso amiko dia handratra ny tenany, ary izay mankahala ahy dia tia fahafatesana.»


Lozan’ny ratsy fanahy kosa fa hiharam-pahavoazana izy, satria araka izay nataony ihany no zavatra hafitsoka aminy!


Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.


Ny nahatonga izany taminao ve tsy noho ny nandaozanao ny TOMPO Andriamanitrao tamin’ny andro nitantanany anao teny an-dalana?


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Ny fitondrantenanao sy ny ratsy nataonao no nahatonga izao taminao, ry Jerosalema. Hotsaroanao ny ngidin’izao loza izao, satria mihatra hatrany amin’ny fonao.


Ny helokareo no nanakorontana izany firindrana izany, ny fahadisoanareo no nisakana ny soa ho anareo.


Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.


Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.


Izaho no nanazatra sy nampatanjaka ny sandriny; nefa izy kosa ny amiko dia nisaintsain-dratsy hatrany.


Fa ianareo kosa manevateva izany amin’ny filazànareo fa ny alitaran’ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary.


Miteny aza ianareo hoe: «Asa mafy re izany!» Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin’ny tananareo.


Koa ankehitriny, ry mpisorona, mifonà amiko Andriamanitrareo ange ianareo, raha toa ka mba hiantra ny vahoakako Aho. Noho izay nataon’ny tananareo izay, moa heverinareo ve fa hihaino anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao? Sanatria izany!


Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.


Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra