Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 13:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Aiza àry izao ny mpanjakanao izay tokony hamonjy anao? Amin’ny tanànanao rehetra, aiza koa ireo mpitondra anao? Fa ianao ihany no nanao hoe: «Omeo mpanjaka sy filoha aho».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Aiza ary izay mpanjakanao? Aoka izy hamonjy anao any an-tanànanao rehetra! Ary aiza ireo mpitsaranao izay nilazanao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Aiza àry izao ny mpanjakanao izay tokony hamonjy anao? Amin’ny tanànanao rehetra, aiza koa ireo mpitondra anao? Fa ianao ihany no nanao hoe: «Omeo mpanjaka sy filoha aho».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Aiza àry izay mpanjakanao, hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo mpitsaranao, izay nilazanao hoe: Omeo mpanjaka ama-mpanapaka Aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Aiza ary izay mpanjakanao? Aoka izy hamonjy anao any an-tanànanao rehetra! Ary aiza ireo mpitsaranao izay nilazanao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 13:10
26 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa ren’ny Israelita tavaratra rehetra fa tafaverina indray i Jerôbohama, dia nampiantsoina hankao amin’ny fivoriana izy ka nampanjakainy tamin’i Israely avaratra manontolo; ary dia tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida intsony afa-tsy ny fokon’i Joda ihany.


Tato aoriana anefa dia nikomy taminy i Hôsea, satria sady nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Ejipta tany Saîsa izy no tsy nety nandoa ny hetrany isan-taona ho an’ny mpanjakan’i Asiria intsony. Koa rehefa hitan’i Salmanesera izany fikomiana izany, dia nasainy nosamborina sy nogadraina i Hôsea.


Ny TOMPO no mpanjaka mandrakizay mandrakizay; ho fongotra amin’ny taniny ny mpanompo sampy.


Hifaly anie ny vahoaka Israely, fa ny Tompo no Mpanao azy; hiravo anie ny terak’i Tsiôna, fa Izy no mpanjakany!


Ny nahazoan’ny razanay ity tany ity dia tsy ny sabatra nananany; ny nahazoany fandresena dia tsy ny heriny velively, fa ny herinao nirotsaka an-tsehatra sy ny fanatrehanao azy amim-pitiavana.


Kanefa Andriamanitra ô, Mpanjakanay hatrizay hatrizay Ianao, mpanao famonjena eto anivon’ny tany.


Ianao no hery lehibe ho anay ary ny fitiavanao no hireharehanay,


Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.


Izaho no TOMPO, ilay Masinareo, Mpahary an’i Israely sady mpanjakanareo.»


fa hamaly anareo kosa Aho hoe: «Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo?» Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin’ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.


Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?


Ilay niankinan’ny fiainanay, ilay mpanjaka nohosoran’ny TOMPO ka mba efa nilazanay hoe: «Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana eo anivon’ny firenen-kafa», dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!


Ankehitriny hiteny ireo hoe: «Tsy mana-mpanjaka izahay noho ny tsy nanajanay ny TOMPO. Sady soa inona ho anay moa no ho vitan’izay mpanjaka?»


Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


Mahamay toa lafaoro izy rehetra ka mandringana ireo filohany. Lavo avokoa ireo mpanjakany, nefa tsy mba nisy niantso Ahy akory.


Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.


Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanjaka amin’ny tany manontolo. Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana, ary ny anarany irery no hoeken’ny olon-drehetra.


Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!


Nefa hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Ekeo ny fangatahan’ny vahoaka amin’izay rehetra lazainy aminao; satria tsy ianao akory no laviny, fa Izaho mihitsy no tsy tiany ho mpanjakany intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra