Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»
Hosea 12:11 - Baiboly Katolika Niteny tamin’ny mpaminany Aho, ary Izaho koa no nahamaro ny fahitana, ary niteny tamin’ny fanoharana Aho tamin’ny alalan’ny mpaminany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niteny tamin’ny mpaminany koa Aho sady nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazako fanoharana. DIEM PROTESTANTA Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana. Baiboly Protestanta Malagasy Efa niteny tamin’ny mpaminany koa Aho, Sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, Ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra. Malagasy Bible Efa niteny tamin'ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra. La Bible en Malgache Niteny tamin’ny mpaminany koa Aho sady nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazako fanoharana. |
Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»
Nitsangan-ko vavolombelona anefa i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an’i Israely sy i Jodà nanao hoe: «Miverena avy amin’ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo.»
Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny jioganao, sy nanitosanao ny fatoranao, ka nanaovanao hoe: ‹Tsy hanompo intsony aho!› Teny amin’ny havoana manerinerina rehetra, sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra teny, no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.
Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andron’ny fahorianao. Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao, ry Jodà.
Ry zanak’olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin’ny taranak’i Israely; milazà hoe:
Voaloboka mirobona erỳ i Israely, efa mavesatry ny voany. Araka ny habetsahan’ny voany no ampitomboany ny ôteliny; araka ny hatsaran’ny taniny, no hatsaran’ny tsangam-bato nataony.
Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin’izany izy. Hanjera ny ôteliny izy, handrava ny tsangam-batony.
Raha ianao no mijangajanga, ry Israely, aoka i Jodà tsy hilatsaka amin’ny heloka! aza mankany Galgalà na miakatra any Betavena ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!
Nampitombo ny ôtely i Efraima tamin’ny nanotany, ary ireo ôtely ireo nahalavo azy tamin’ny ota.
Any Galgalà ny faharatsiany rehetra; fa tany no vao nankahalako azy. Noho ny faharatsian’ny ataony, horoahiko hiala ao an-tranoko izy; tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
Mankanesa any Betela ka manotà; sy any Galgalà, ka mampitomboa ny fahotana! Ento isa-maraina ny soronareo; ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!
Aza mitady an’i Betela, aza mankany Galgalà, aza miampita ho any Bersabea! Fa i Galgalà ho lasan-ko babo; ary i Betela hanjary tsinontsinona.
Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Iaveh aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina.
ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.