Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 12:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Niteny tamin’ny mpaminany koa Aho sady nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazako fanoharana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Niteny tamin’ny mpaminany Aho, ary Izaho koa no nahamaro ny fahitana, ary niteny tamin’ny fanoharana Aho tamin’ny alalan’ny mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Efa niteny tamin’ny mpaminany koa Aho, Sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, Ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Efa niteny tamin'ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Niteny tamin’ny mpaminany koa Aho sady nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazako fanoharana.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 12:11
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.


Nampitandrina ny vahoakan’i Israely sy i Joda tamin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalàna manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.


Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, dia ho levona izy.


Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.


Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.


fa hamaly anareo kosa Aho hoe: «Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo?» Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin’ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.


«Ry ilay taranak’olombelona, manaova ankamantatra ary fanoharana ho an’ny Israelita,


Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.


Feno fitaka ny fony, ka hianjady amin’ireo olona ireo ny vesatry ny heloka vitany. Izy TOMPO mihitsy no hamotika ny alitaran’ireo sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.


Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely, dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda. Aza mankany Gilgala na miakatra any Bety-Avena ianao; ary aza mianiana hoe: «Velona ny TOMPO...!»


I Gilehada dia tanànan’ny mpanao ratsy, izay mamela dian-dra amin’ny falehany.


Nampitombo ireo alitara i Efraîma mba hahatonga azy hanota; eny, ireo alitara ireo tokoa no mahatonga azy hanota.


«Tao Gilgala, hoy ihany ny Tompo, no niseho ny haratsiany isan-karazany. Tao no nanombohako nankahala azy. Horoahiko izy hiala amin’ny toeram-ponenako noho ny ratsy izay nataony. Tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho; mpikomy avokoa ny filohany rehetra.


Izao no teny hentitry Tompo ANDRIANANAHARY: «Mankanesa any Betela, ry taranak’i Israely, ka manotà ianareo; mankanesa any Gilgala, ka ampitomboy ny helokareo. Ento ny soronareo ny ampitson’ny ahatongavana, ary ny fahafolon-karenareo ny afakampitso.


Fa aza mitady Ahy any Betela, aza miditra ao Gilgala, ary aza mankany Beera-Seba; satria ho lasan-ko babo tokoa i Gilgala, ary i Betela dia ho tonga tsinontsinona.»


Raha iny efa ho faty iny aho, dia nahatsiaro Anao, TOMPO ô, ary ny vavaka nataoko taminao dia tonga tao an-tempolinao masina.


ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra