Mbola velona dimanjato taona i Sema taorian’ny niterahany an’i Arfaksada, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
Genesisy 47:9 - Baiboly Katolika Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Jakoba tamin’i Farao: Telopolo amby zato taona no andro nivahinianako. Sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy mba nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny andro nivahiniany. DIEM PROTESTANTA Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jakoba tamin’i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny andro nivahiniany. Malagasy Bible Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany. La Bible en Malgache Dia hoy i Jakoba tamin’i Farao: Telopolo amby zato taona no andro nivahinianako. Sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy mba nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny andro nivahiniany. |
Mbola velona dimanjato taona i Sema taorian’ny niterahany an’i Arfaksada, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
Fito ambin’ny folo taona no andro niainan’i Jakôba tany amin’ny tany Ejipta. Ary fito amby efapolo amby zato taona ny andro niainany rehetra.
Sivy amby enimpolo sy sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Matosalema; dia maty izy.
Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy, dia napetraka anaty vatam-paty tany Ejipta.
Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.
Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà
Henoy ny fivavahako, ry Iaveh ô, atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako, aza dia tsy mihontsina amin’ny fitomaniako! Fa vahiny ao aminao aho, mpivahiny toy ny razako rehetra.
Ry Iaveh ô, ampahafantaro ahy ny fara andro hiainako, dia ny fetry ny androko, hahafantarako ny maha-mora levona ahy.
Efa nanao fanekem-pihavanana taminy koa Aho mba hanomezako azy ireo ny tany Kanaana, izay tany nivahinianany sy nitoerany ho mpivahiny.
Efa valopolo taona i Môizy ary telo amby valopolo taona i Aarôna, tamin’izy ireo niteny tamin’i Faraôna.
Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana
Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty, nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy.
Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Iaveh, tamin’ny faha 110n’ny taonany.
Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.