Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
Genesisy 30:2 - Baiboly Katolika Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nirehitra tamin’i Rahely ny fahatezeran’i Jakoba ka hoy izy: Solon’Andriamanitra izay nahamomba anao tsy hiteraka va aho? DIEM PROTESTANTA Tezitra taminy i Jakôba ka namaly hoe: –Izaho angaha no solon’Andriamanitra Izay nisakana ny kibonao tsy hiteraka? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tezitra taminy i Jakôba ka namaly hoe: –Izaho angaha no solon’Andriamanitra Izay nisakana ny kibonao tsy hiteraka? Baiboly Protestanta Malagasy Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran’i Jakoba, ka hoy izy: Solon’Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho? Malagasy Bible Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho? La Bible en Malgache Dia nirehitra tamin’i Rahely ny fahatezeran’i Jakoba ka hoy izy: Solon’Andriamanitra izay nahamomba anao tsy hiteraka va aho? |
Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
Fa efa nataon’i Iaveh momba ny kibon’ny ankohonan’i Abimeleka rehetra noho ny amin’i Sarà vadin’i Abrahama.
Nangataka tamin’i Iaveh ho an’ny vadiny i Isaaka, fa momba ravehivavy ary nohenoin’i Iaveh ny fangatahany, ka dia nanana anaka i Rebekà vadiny.
Hitan’i Iaveh fa nankahalaina i Lià, ka nampanana anaka azy izy, fa i Rasela kosa momba.
Dia tezitra i Jakôba ka nanome tsiny an’i Labàna; ary niteny i Jakôba ka nanao tamin’i Labàna hoe: «Inona no heloko, inona no hadisoako, no dia efa milofo erỳ ianao manenjika ahy?
Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo: «Aoka tsy hanan-tahotra ianareo; fa moa solon’Andriamanitra va aho?
Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: «Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan’ilay iny olona ho atỳ amiko hositraniko amin’ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.»
Manome fonenana ny momba ao an-trano Izy, manao azy ho reny mifaly eo afovoan’ny zanany. Aleloia!
Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: «Ahinjiro ny tananao» Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
ka nanandra-peo niantso mafy hoe: «Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.