Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Samoela 1:5 - Baiboly Katolika

5 ary i Anà nomeny anjaran-droa satria tiany i Anà, ary nataon’i Iaveh momba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Nomeny anjaran-droa kosa i Hana satria izy no tiany na dia nataon’NY TOMPO momba aza.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 fa i Hanà kosa dia notolorany anjara manokana, satria tiany aoka izany izy na dia nataon’ny TOMPO momba aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 fa i Hanà kosa dia notolorany anjara manokana, satria tiany aoka izany izy na dia nataon’ny TOMPO momba aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon’i Jehovah momba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Nomeny anjaran-droa kosa i Hana satria izy no tiany na dia nataon’NY TOMPO momba aza.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 1:5
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Saray dia momba; tsy niteraka izy.


Tsy niteraka tamin’i Abrama i Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejiptianina anankiray atao hoe Agara izy.


Fa efa nataon’i Iaveh momba ny kibon’ny ankohonan’i Abimeleka rehetra noho ny amin’i Sarà vadin’i Abrahama.


Nony hitan-dRasela fa tsy mba niteraka tamin’i Jakôba izy, dia nialona ny rahavaviny izy sady nanao tamin’i Jakôba hoe: «Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany maty aho.»


Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?»


Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.


Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova.


«Raha misy lehilahy nampirafy roa, ka ny iray tiany, ny iray halany, ary samy miteraka zazalahy aminy, na ilay tiany, na ity halany, ary ny zanany lahimatoa dia naterak’ity halany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra