Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:19 - Baiboly Katolika

19 Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary raha nanakaiky ny toby izy dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; dia nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy ka natontany ny vato fisaka teny an-tanany ary nopotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary raha nanakaiky ny toby izy dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; dia nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy ka natontany ny vato fisaka teny an-tanany ary nopotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:19
20 Rohy Ifampitohizana  

Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.


Azon’ny hatezerana aho noho ny amin’ny ratsy fanahy, izay mahafoy ny lalànao.


Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.


Nifona tamin’i Iaveh Andriamaniny anefa i Môizy ka nanao hoe: «Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin’ny vahoakanao, izay navoakanao avy amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery?


Fa hoy ny navalin’i Môizy: «Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany fa feon’olona mihira no reko.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova takelaka vato roa tahaka ireo voalohany ka hanoratako ny teny izay efa teo amin’ireo takelaka voalohany notorotoroinao.


ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.


Nitsahatra ny fifalian’ny fonay; niova ho fisaonana ny dihinay.


Raha efa izany, notapahiko koa ilay tehiko, i Kofehy, hanafoanako ny firahalahian’i Jodà sy i Israely.


Ren’i Iaveh izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany.


Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.


ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: «Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.


Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: «Ahinjiro ny tananao» Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.


mba tsy ho tonga mpanompo sampy ianareo, toy ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe: Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao;


Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.


dia hosoratako amin’ireo takelaka ireo ny teny tamin’ny takela-bato voalohany nomontsaninao, ka hataonao ao anaty fiara izany.


Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin’ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra