Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 31:36 - Baiboly Katolika

36 Dia tezitra i Jakôba ka nanome tsiny an’i Labàna; ary niteny i Jakôba ka nanao tamin’i Labàna hoe: «Inona no heloko, inona no hadisoako, no dia efa milofo erỳ ianao manenjika ahy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Dia tezitra i Jakoba ka nifamaly tamin’i Labana. Hoy izy tamin’i Labana hoe: Inona no heloko? Inona no otako no nilomay nanenjika ahy ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

36 Tezitra i Jakôba ka nifamaly tamin’i Labàna nanao hoe: –Inona no fahadisoako, ary inona no heloko no dia nilomay nanenjika ahy ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Tezitra i Jakôba ka nifamaly tamin’i Labàna nanao hoe: –Inona no fahadisoako, ary inona no heloko no dia nilomay nanenjika ahy ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin’i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin’i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy hianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 31:36
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?»


Ary hoy i Rasela tamin-drainy: «Aoka tsy ho tezitra ny tompoko; fa tsy afa-mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ny fombam-behivavy.» Dia nikaroka izy, tsy nahita ny terafima.


Efa nisava ny entako rehetra ianao izay, ka inona no fanaka avy any an-tranonao hitanao tao? Asehoy eto anatrehan’ny rahalahiko sy ny rahalahinao izany hitsarany antsika mianaka.


ary efa tonga avy any an-tsaha koa ny zanak’i Jakôba vao nandre izany zavatra izany; tafintohina mafy ireo lehilahy ireo ka nisafoaka mihitsy izy ireo, fa nanao izay fady indrindra i Sikema nanala baraka an’i Israely tamin’ny nandriany tamin’ny zanaka vavin’i Jakôba, ka zavatra tsy tokony hatao akory izany.


Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin’i Jakôba aho, ary hampihahaka azy amin’i Israely.


Fa tezitra taminy ity olon’Andriamanitra ka nanao taminy hoe; «Tokony ho nitifitra indimy na inenina ianao, ary amin’izany, dia ho namely ny Sirianina mandra-paharingany mihitsy, fa izao dia intelo monja no hamelezanao azy.»


Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe: «Indro aho nanao anakam-po hoe: hivoaka hankatỳ amiko izy, ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran’i Iaveh Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka.


Mandositra tsy enjehina ny ratsy; fa matoky toy ny liona kosa ny marina.


Tezitra indrindra i Môizy, ka hoy izy tamin’i Iaveh: «Aza asianao raharaha akory izay fanatitr’ireo, fa tsy mba naka tamin’ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza.»


Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka, ka nanao hoe: «Inay anie izahay mba maty, tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’i Iaveh!


Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: «Ahinjiro ny tananao» Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.


Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.


Namaly an’i Saola rainy, i Jônatasy, ka nanao taminy hoe: «Ahoana no hovonoina izy? Fa naninona izy?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra