Genesisy 16 - Baiboly KatolikaNy nahaterahan’i Ismaely 1 Tsy niteraka tamin’i Abrama i Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejiptianina anankiray atao hoe Agara izy. 2 Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray. 3 Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaana i Abrama tamin’ny nakan’i Saray, vadin’i Abrama, an’i Agara ilay Ejiptianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrama vadiny. 4 Nandeha tamin’i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny. 5 Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Mihatra aminao izao faniratsirana ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka i Iaveh anie hitsara ahy sy ianao.» 6 Hoy ny navalin’i Abrama tamin’i Saray: «Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy araka izay ataonao ho mety.» Dia nampahorin’i Saray i Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany. 7 Hitan’ny Anjelin’i Iaveh teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora. 8 Hoy izy: «Ry Agara, mpanompovavin’i Saray, avy aiza ianao ary ho aiza?» Hoy ny navaliny: «Mandositra lavitra an’i Saray tompovaviko aho.» 9 Fa hoy ny Anjelin’i Iaveh taminy: «Miverena any amin’ny tompovavinao, ka manetre tena eo ambanin’ny fahefany.» 10 Ary hoy koa ny anjelin’i Iaveh: «Hataoko marobe ny taranakao, ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany.» 11 Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao. 12 Ho ampondra haolo io lehilahy io: ny tanany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.» 13 Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?» 14 Izany no niantsoan’ny olona io fantsakana io hoe fantsakan’i Lakai- Rôy. Ao anelanelan’i Kadesy sy i Barada izy io. 15 Dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama i Agara; ary nomen’i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak’i Agara. 16 Efa enina amby valopolo taona i Abrama tamin’ny niterahan’i Agara an’i Ismaely tamin’i Abrama. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society