Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 21:10 - Baiboly Katolika

ka hoy izy tamin’i Abrahama: «Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako, amin’i Isaaka.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy izy tamin’i Abrahama: Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, fa ny zanak’io mpanompovavy io dia tsy hiray lova amin’Isaka zanako!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka hoy i Sarà tamin’i Abrahama: –Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, satria tsy tokony handova miaraka amin’i Itsehàka zanako ny zanany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka hoy i Sarà tamin’i Abrahama: –Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, satria tsy tokony handova miaraka amin’i Itsehàka zanako ny zanany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy izy tamin’i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’io andevovavy io tsy hiray lova amin’ny zanako, dia amin’Isaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy izy tamin’i Abrahama: Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, fa ny zanak’io mpanompovavy io dia tsy hiray lova amin’Isaka zanako!

Jereo ny toko



Genesisy 21:10
17 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.


Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka, izay haterak’i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao.»


Ary izao no navalin’i Abrahama: «Hoy aho anakampoko: Tsy misy tahotra an’Andriamanitra kely akory angamba amin’ity tany ity, ka hovonoin’ny olona aho, noho ny amin’ny vadiko.


Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.


Izao no tantaran’i Isaaka zanak’i Abrahama:


Fa tolotanana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin’i Isaaka hiantsinanana any amin’ny tany Atsinanana.


Roahy ny mpamazivazy, dia ho tapaka ny fifandirana, hitsahatra ny ady amam-panalam-baraka.


ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‹Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify›.


ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva, fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.


Fa raha ho avy amin’ny Lalàna ny lova, dia tsy ho avy amin’ny teny fampanantenana intsony, nefa teny fampanantenana no nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama hahazoana izany fahasoavana izany.


Koa tsy mpanompo intsony àry ianareo, fa zanaka, ary rehefa zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra.


hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,


Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra.


Niteraka lahy maro tamin’i Galaada anefa ny vadiny; ka nony lehibe ireo dia nandroaka an’i Jefte sy nanao taminy hoe: «Tsy handova eto an-tranon-drainay ianao, satria zana-behivavy hafa».