Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 2:19 - Baiboly Katolika

19 Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Avy teto amintsika ihany no nialan’ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha toa ka namantsika izy dia ho nitoetra teto amintsika ihany; kanefa niala izy mba haseho fa tsy namantsika izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Avy teto amintsika ihany no nialan’ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha toa ka namantsika izy dia ho nitoetra teto amintsika ihany; kanefa niala izy mba haseho fa tsy namantsika izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 2:19
30 Rohy Ifampitohizana  

Ny olo-marina anefa mifikitra mafy amin’ny lalany ary izay madio tanana miezaka amin-kerim-po tokoa.


Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.


«Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjò azy, indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.


Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.


fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany.


Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.


Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.


satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.»


Noho ny nandrenesanay fa nisy olona avy tatỳ aminay, izay tsy nahazo teny taminay velively, nampitabataba anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo,


Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.


Tsy dia ny tenin’Andriamanitra tsy akory no foana; fa izay taranak’i Israely no tsy tena Israely avokoa,


satria tsy maintsy misy an-daniny maro eo aminareo, mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.


Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo,


Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay.


Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe: Fantatry ny Tompo ny Azy, sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetra manonona ny Anaran’ny Tompo.


kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin’ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany.


Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika, fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.


Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.


Izaho Jodà, mpanompon’i Jesoa Kristy, sy rahalahin’i Jakôba, mamangy ireo olom-boafidy izay malalan’Andriamanitra Ray, sy voatahiry ho an’i Jesoa Kristy;


hitarika fitokotokoana, dia olona ara-batana, fa tsy mba manana ny Fanahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra