Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:10 - DIEM PROTESTANTA

10 ka hoy i Sarà tamin’i Abrahama: –Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, satria tsy tokony handova miaraka amin’i Itsehàka zanako ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Dia hoy izy tamin’i Abrahama: Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, fa ny zanak’io mpanompovavy io dia tsy hiray lova amin’Isaka zanako!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 ka hoy i Sarà tamin’i Abrahama: –Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, satria tsy tokony handova miaraka amin’i Itsehàka zanako ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 ka hoy izy tamin’i Abrahama: «Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako, amin’i Isaaka.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia hoy izy tamin’i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’io andevovavy io tsy hiray lova amin’ny zanako, dia amin’Isaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Dia hoy izy tamin’i Abrahama: Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, fa ny zanak’io mpanompovavy io dia tsy hiray lova amin’Isaka zanako!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:10
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.


Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin’i Itsehàka, izay haterak’i Sarà ho anao amin’ny herintaona toy izao.


Namaly kosa i Abrahama hoe: –Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an’Andriamanitra amin’ity toerana ity, koa hovonoin’ireo aho noho ny amin’ny vadiko.


Ary naninji-tanana handray ny antsy i Abrahama mba hamonoana ny zanany.


Izao no tantaran’i Itsehàka: I Itsehàka dia zanakalahin’i Abrahama.


Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.


Roahy ny mpaniratsira fa hitsahatra ny fifandirana, ary hifarana koa na ny ady na ny fanalam-baràka.


Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin’ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»


Tsy hijanona ao an-trano lalandava ny mpanompo, fa ny zanaka no mijanona ao lalandava.


Fa raha avy amin’ny lalàna ny lova omen’Andriamanitra, dia tsy avy amin’ny fampanantenana intsony; kanefa, ho an’i Abrahama, dia tamin’ny alalan’ny fampanantenana no nanomezan’Andriamanitra izany maimaimpoana.


Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra.


fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo,


Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.


Niteraka zanakalahy maro ny vadin’i Gilehada; ka nony efa lehibe ireny, dia nandroaka an’i Jiftà ary nilaza taminy hoe: –Tsy manan-jò amin’ny lova avy amin’ny raintsika ianao satria zanaky ny vehivavy hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra