Ilay ôtely varahina nataon’i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, dia tany koa, teo anoloan’ny tabernaklan’i Iaveh. Nitady an’i Iaveh tany i Salômôna sy ny fiangonana.
Eksodosy 38:1 - Baiboly Katolika Hazo akasià no nanaovana ny ôtely fanaovan-tsorona dorana; dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, fa mitovy ny lafiny efatra, ary telo hakiho ny haavony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo tamin’ny hazo akasia izy: Dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efamira izany; telo hakiho kosa ny haavony. DIEM PROTESTANTA Ny alitara fisoronana dia namboarina tamin’ny hazo mimôzà. Efamira izy io, ka nirefy roa metatra sy sasany ny lafiny tsirairay ary iray metatra sy sasany ny haavony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny alitara fisoronana dia namboarina tamin’ny hazo mimôzà. Efamira izy io, ka nirefy roa metatra sy sasany ny lafiny tsirairay ary iray metatra sy sasany ny haavony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana tamin’ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. Malagasy Bible Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. La Bible en Malgache Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo tamin’ny hazo akasia izy: Dimy hakiho* avy ny lafiny efatra, dia efamira izany; telo hakiho kosa ny haavony. |
Ilay ôtely varahina nataon’i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, dia tany koa, teo anoloan’ny tabernaklan’i Iaveh. Nitady an’i Iaveh tany i Salômôna sy ny fiangonana.
Nanao ôtely varahina anìdina i Salômôna, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.
ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy sy ny faladiany;
Ny zorony efatra nasiany tandrony mivoaka avy amin’ny ôtely, sy nopetahiny takela-barahina ny ôtely.
Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana, amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Hataonao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny Fonenana, ao amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.
Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Koa amin’izany, ry havana masina, mpiombona amin’ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apôstôly sy ny mpisorom-ben’ny finoana arahintsika, dia i Jesoa,
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony.