Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:29 - Baiboly Katolika

29 Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ny mpangaroharo zava-manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:29
18 Rohy Ifampitohizana  

Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako.


Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason’ny fahavaloko Ianao, feno mitafotafo ny kapoakako.


Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy.


Hoy koa i Iaveh tamin’i Môizy:


Hazo akasià, nopetahany volamena, no nanaovany ny bao.


Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.


Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.


Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.


Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,


Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.


Fa ianareo kosa dia voahosotr’ilay Masina, ka mahalala ny zavatra rehetra.


Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra