Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 37:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ny mpangaroharo zava-manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:29
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao toy ny eton’ny vovo-javamanitra! Ny fanandratako tanana anie ho toy ny fanatitra hariva!


Anomananao fanasana aho eo anoloan’ireo fahavaloko; hosoranao ilomanitra ny lohako sady fenoinao mitafotafo ny kaopiko.


Ireo fahavalonao kosa, TOMPO ô, eny, ireo fahavalonao dia ho levona ireo mpanao tsy an-drariny hiparitaka avokoa.


Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy:


Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ireo bao roa ireo, ary norakofana takela-bolamena.


Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny ilomanitry ny mpanao zava-manitra; toy izany koa, ny fahadalana kely dia mavesa-danja bebe kokoa noho ny fahendrena.


Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo, kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha ho solon’ny lavenona amin’ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo sy fitafiana fitondra amin’ny fety ho solon’ny toetra manjoretra. Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe: «Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen’ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany.»


Ilay nirahin’Andriamanitra manko no milaza ny tenin’Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan’Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina.


I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan’ny fahafatesana; ary dia nohenoin’Andriamanitra izy, ka afaka tamin’ny tahotra ny ho faty.


Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin’Andriamanitra ho azy ireo.


Ianareo kosa dia manana ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy ary mahafantatra izany avokoa ianareo.


Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin’i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy no mampianatra anareo ny amin’ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin’i Kristy ianareo, araka ny nampianaran’ny Fanahy Masina anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra