Eksodosy 40:29 - Baiboly Katolika29 Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana, amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201129 Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana, ary nateriny teo ambonin’io ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA29 avy eo dia napetraka teo anoloan’io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara29 avy eo dia napetraka teo anoloan’io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Jereo ny tokoMalagasy Bible29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache29 Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana, ary nateriny teo ambonin’io ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Jereo ny toko |