Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:29 - DIEM PROTESTANTA

29 avy eo dia napetraka teo anoloan’io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana, ary nateriny teo ambonin’io ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 avy eo dia napetraka teo anoloan’io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana, amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana, ary nateriny teo ambonin’io ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:29
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia nesoriny hiala teo anoloan’ny tempoly ny alitara halimo izay voatokana ho an’ny TOMPO; io alitara io dia teo anelanelan’ny alitara vaovao sy ny tranon’ny TOMPO, ka nafindrany hipetraka eo avaratry ny alitara vaovao.


Natsangana ny varavarana lamba teo am-pidirana mankao amin’ny fonena-masina;


Napetraka teo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe ho an’ny fidiovana, ary nofenoina rano.


Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;


Norefesin-dralehilahy ny kianja anatiny: efamira izy io ka samy dimampolo metatra avy ny lafiny efatra. Teo anoloan’ny tempoly no nisy ny alitara.


Ary hoy ralehilahy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ireto no lalàna arahina rehefa vita ny alitara mba hanolorana sorona dorana manontolo eo ary hamafazana ram-biby aminy.


Niantso an’i Mosesy ny TOMPO ka niteny taminy avy ao amin’ny Tranolay fihaonana


Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?


Ireo mpanaraka fanompoam-pivavahana ao amin’ny toeram-pivavahana jiosy dia tsy mahazo mihinana amin’izay sorona atao eo amin’ny alitarantsika.


Indray mandeha monja no nidirany tao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia ampy; ary tsy mba ran’osilahy na ran-janakomby no nentiny hatolotra, fa ny ra nafoin’ny tenany no nentiny hatolotra ka nahazoany fanavotana mandrakizay ho antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra