Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Napetraka teo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe ho an’ny fidiovana, ary nofenoina rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Ny koveta dia nataony teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ka nasiany rano ho fidiovana tao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Napetraka teo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe ho an’ny fidiovana, ary nofenoina rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Napetrany teo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, dia nasiany rano ho fiafanana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Ny koveta dia nataony teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ka nasiany rano ho fidiovana tao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:30
7 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo, dia namboarina koa ny kovetabe halimo sy ny faladiany halimo; ny fitaratra halimo izay an’ireo vehivavy niasa teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana no nampiasaina tamin’izany.


avy eo dia napetraka teo anoloan’io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Nampiasain’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny zanany lahy izany mba hanasany ny tongony sy ny tanany.


hapetraka eo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara kosa ny kovetabe fampiasa amin’ny fidiovana, ary hofenoina rano.


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra