Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.
Eksodosy 20:8 - Baiboly Katolika «Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. DIEM PROTESTANTA «Tsarovy ny andro sabata mba hanokananao azy ho Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Tsarovy ny andro sabata mba hanokananao azy ho Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Malagasy Bible Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. La Bible en Malgache Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. |
Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.
Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany andro izany no nitsaharany tamin’ny zavatra rehetra noarîny tamin’ny nanaovany azy.
Tamin’izany andro izany aho nahita olona sasany, tany Jodà, nanosihosy teo amin’ny famiazam-boaloboka, tamin’ny andro sabata, nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny ampondrany aza, dia divay, voaloboka, aviavy, mbamin’ny entana isan-karazany, ka nentina ho any Jerosalema tamin’ny andro sabata; noteneniko izy ireo nony nivarotra ny entam-barony.
Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao.
«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.
Ary novorin’i Môizy ny fiangonan’i Israely rehetra ka nilazany hoe: «Izao no zavatra nodidian’i Iaveh hatao:
Sambatra ny olona hanao izany, sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany, ka hitandrina ny sabata, tsy handika azy, sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!
Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina. Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;
Izao no lazain’i Iaveh: «Tandremo ny fanahinareo; ka aza mitondra entana amin’ny andro sabata, ary aza mampiditra izany amin’ny vavahadin’i Jerosalema.
Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin’ny andro sabata, ary aza manao taozavatra akory; hamasino ny andro sabata, araka ny efa nandidiako ny razanareo.»
«Raha mety mihaino Ahy tsara ianareo, - teny marin’i Iaveh, - ka tsy mampiditra entana, amin’ny vavahadin’ity tanàna ity, amin’ny andro sabata, ary mankamasina ny andro sabata, tsy manao na inona na inona amin’izany andro izany,
ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny sabatako. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
«Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»
Raha mbola tany an’efitra ny zanak’i Israely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin’ny andro sabata.
«Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasina azy, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao.