Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 11:6 - Baiboly Katolika

Izao no naoriny: i Betlehema, i Etama, i Tekôe,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireto avy ireo namboariny: I Betlehema, i Etama, i Tekoa,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia ireto avy: i Betlehema sy i Hetama ary i Tekôa,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia ireto avy: i Betlehema sy i Hetama ary i Tekôa,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireto avy ireo namboariny: I Betlehema, i Etama, i Tekoa,

Jereo ny toko



2Tantara 11:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia maty i Rasela, ka nalevina teo amin’ny lalana mankany Efrata dia Betlehema izany.


Dia naniraka ho any Tekoa hitady vehivavy fetsy anankiray i Jôaba ka nilaza taminy hoe: «Modia misaona ianao, manaova akanjo fisaonana, aza mihosotra diloilo, ary manahafa vehivavy mandala olo-maty efa ela be ihany.


Izao avy no avy amin’ny rain’i Etama: i Jezrahela, i Jesema, sy i Jedebosa, ary Asalelfônì no anaran’ny anabavin’ireo.


Azy ireo koa i Etama, i Aena, i Remôna, i Tôkena sy i Asàna, tanàna dimy,


Nitoetra tao Jerosalema i Rôbôama; ary nanorina tanàna mimanda tamin’i Jodà.


i Betsora, i Sôkô, i Odolama,


Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.»


Manarakaraka azy, ny Tekôita namboatra ny laniny iray, tandrifin’ny tilikambo lehibe mibohitra, ka hatreo amin’ny mandan’i Ofela.


teo anilany dia ny Tekôita no nanamboatra, saingy tsy nilatsaka hanampy tamin’ny fanompoana ny tompony, ny lehibe tamin’izy ireo.


Mandosira, ry taranak’i Benjamina, hiala ao afovoan’i Jerosalema. Mitsofa anjomara any Tekoà, ary manangàna famantarana any Betakarema! Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.


Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:


Dia nasiany mafy tokoa ireo, tsy nitondrany roa; dia nidina izy ary nitoetra tao amin’ilay zohy amin’ny vatolampin’i Etama.


Ary i Davida dia zanak’ilay Efrateanina, tany Betlehema any Jodà, atao Isaï, izay nanan-janaka valo lahy. Ary lehilahy efa anti-panahy ihany izy sy efa nandroso fahanterana tamin’ny andron’i Saola.