1Tantara 1:14 - Baiboly Katolika ary koa ny Jeboseanina, ny Amôreana, ny Jerzeseanina, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny Jebosita, ny Amorita, ny Girgasita, DIEM PROTESTANTA i Kanahàna koa no razambe nipoiran’ny Jebosita sy ny Amôrita, ny Girgasîta Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Kanahàna koa no razambe nipoiran’ny Jebosita sy ny Amôrita, ny Girgasîta Baiboly Protestanta Malagasy ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita Malagasy Bible ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita La Bible en Malgache ny Jebosita, ny Amorita, ny Girgasita, |
Ary omeko ho tombon-dahinao amin’ireo rahalahinao ny zaratany anankiray, izay nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako, teo an-tanan’ny Amôreana.»
Dia nampaka ny Gabaônita ny mpanjaka sy nilaza taminy hoe: «Tsy mba isan’ny zanak’i Israely ny Gabaônita, fa avy amin’ny sisan’ny Amôreana. Efa nifanaiky tamin’izy ireo tamim-pianianana ny zanak’i Israely, nefa nitady izay hamelezana azy i Saola noho ny fahazotoany hiaro ny zanak’i Israely sy i Jodà.»
Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy. Fa nanenenan’i Iaveh ny amin’izany loza izany, ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka: «Aoka izay, fa avonkony amin’izao ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Areonà, Jeboseanina, no nitoeran’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
«Noho i Manase mpanjakan’i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amôreana teo alohany, ary noho izy nampanota an’i Jodà tamin’ny sampiny,
Nahita ny fony ho mahatoky eo anatrehanao ianao, ka nanao fanekena taminy, fa hanome ho an’ny taranany, ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Jeboseanina, ary ny Gergeseanina, ary notanterahinao ny teninao, fa marina Ianao.
Haniraka Anjely eo alohanao Aho, ary handroaka ny Kananeanina, ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.
«Tandremo izao andidiako anao izao: Indro horoahiko eo anoloanao ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.
Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreana izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka. Noravako avokoa ny voany teny ambony, sy ny fakany teo ambany.
Hoesoriko avy any am-bavany ny rany; ary avy eo anelanelan’ny nifiny ny fahavetavetany; ka izy koa dia ho sisa ho an’ny Andriamanitsika; ho toy ny lohany amin’i Jodà, ary i Akarôna ho toy ny Jeboseanina.
Fa atokany ho anatema ireo firenena ireo, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ary ny Jeboseanina, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao,
«Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany halehanao hakana azy ho fanananao, ary firenena maro no efa voaroakany eo anoloanao, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina, ny firenena fito, maro isa sady mahery noho ianao,
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an’i Iaveh dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Iaveh.
Dia hoy i Jôsoe: «Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahina eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Heveanina, ny Ferezeanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ary ny Jeboseanina:
Tsy nandroaka ny Jeboseanina nonina tao Jerosalema ny taranak’i Benjamina, ka niara-nonina tamin’ny zanak’i Benjamina tao Jerosalema mandraka androany ny Jeboseanina.
Efa hariva ny andro no tonga tao akaikin’i Jerosalema izy ireo; ka hoy ilay mpanompony tamin’ity tompolahiny: «Raha sitrakao, handeha isika hivily ho amin’ity tanànan’ny Jeboseanina ity, dia handry eo».