2Samoela 21:2 - Baiboly Katolika2 Dia nampaka ny Gabaônita ny mpanjaka sy nilaza taminy hoe: «Tsy mba isan’ny zanak’i Israely ny Gabaônita, fa avy amin’ny sisan’ny Amôreana. Efa nifanaiky tamin’izy ireo tamim-pianianana ny zanak’i Israely, nefa nitady izay hamelezana azy i Saola noho ny fahazotoany hiaro ny zanak’i Israely sy i Jodà.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Nampiantso ny Gibeonita ny mpanjaka ka niteny taminy. Ny Gibeonita dia tsy mba isan’ny Zanak’Israely, fa sisa tamin’ny Amorita, ary ny Zanak’Israely dia efa nianiana taminy, nefa nitady izay hamelezany azy i Saoly tamin’ny firehetan’ny fitiavany ny Zanak’Israely sy ny Joda. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA2 Nampiantso ny Gibehônita ny mpanjaka mba hiresahany. Ny Gibehônita moa tsy mba isan’ny Israelita, fa sisa tsy maty tamin’ny Amôrita. Efa nianiana taminy manko ny Israelita fa tsy haninona azy; nefa i Saoly, noho ny fitiavany an’i Israely sy i Joda, dia nitady hamongotra azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Nampiantso ny Gibehônita ny mpanjaka mba hiresahany. Ny Gibehônita moa tsy mba isan’ny Israelita, fa sisa tsy maty tamin’ny Amôrita. Efa nianiana taminy manko ny Israelita fa tsy haninona azy; nefa i Saoly, noho ny fitiavany an’i Israely sy i Joda, dia nitady hamongotra azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan’ny Zanak’Isiraely, fa sisa tamin’ny Amorita, ary ny Zanak’Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin’ny firehetan’ny fitiavany ny Zanak’Isiraely sy ny Joda),– Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda), Jereo ny toko |