Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka Anao. Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsarànao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana nataon’ny taranak’i Kôre, izay nenti-ko babo tany Babilôna. nanao fivavahana tamin’ny Andriamanitry ny aiko. Ary izaho kosa, dia hoy aho amin’Andriamanitra vatolampiko: nahoana no manadino ahy Ianao? Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho, ilazany tsy an-kijanona hoe: «Aiza izay Andriamanitrao?» Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra, fa izaho mbola hidera Azy, izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro. Toy ny anirian’ny serfa ny loharano no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!
Mananty tanan-droa aminao aho, ka maniry Anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko. - Selà
Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina, dia hifaly sy hiravoravo, amin’ny andronay rehetra.
Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no nilaozanao aho? Mitaraina aho, nefa mijanona lavitra ahy ny famonjena!
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Hoy ny feoko, milaza ny teny avy aminao: «Tadiavinareo ny Tavako»; mitady ny Tavanao aho, ry Iaveh.
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ilay mpanompon’i Iaveh, Davida, izay nanao ny tenin’izao tononkira izao tamin’i Iaveh, tamin’ny andro nanafahan’i Iaveh azy tamin’ny fahavalony rehetra, sy tamin’i Saola. Hoy izy:
Mitady Anao amin’ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao. Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho, satria mitandrina ny didinao. Hazoniko lavitra ny lalan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao. Tsy mba miala amin’ny didinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy. Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako. Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny lalan’ny fitaka aho. Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako. Efa nianiana aho, ary tsy hivadika amin’izany, fa hitandrina ny didim-pahamarinanao. Tonga amin’ny fara fahoriana aho, Iaveh ô, velomy indray aho araka ny teninao. Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao. Hatenda lava izao ny aiko, nefa tsy manadino ny lalànao aho. Tahirizo miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao.
Ho fantatra any amin’ny tanin’ny haizina va ny fahagaganao, ary any amin’ny tany fanadinovana, ny fahamarinanao?
Fihirana fiakarana. Ato ambody hantsana aho no miantso anao, ry Iaveh, Tompo ô, henoy ny feoko;
Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony. Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafaodina aminao.
Manantena an’i Iaveh aho, manantena ny fanahiko, ary miandry ny teniny aho. Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao. Miantso Anao aho, ka vonjeo, mba hanarahako ny fampianaranao.
Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tanana amin’ny Anaranao. Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan’ny fanahiko, ka midera Anao ny vavako, amin’ny molotro falifaly.
Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy; ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Valalanina ny masoko miandry ny fampanantenanao, hoy aho: «Rahoviana no hampionona ahy Ianao?»
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy. Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iavehn’ny tafika, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! - Selà Fa Izy no nanorina azy, tambonin’ny ranomasina; sy nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy.
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
Tonga amin’ny fara fahoriana aho, Iaveh ô, velomy indray aho araka ny teninao. Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao.
Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako, efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.
Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.
Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako; I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako; mba hitoriako ny asanao rehetra.
Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Nataon’i Davida. Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako.
Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; lalana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy.
Salamon’i Davida. Ianao, ry Iaveh, no anandratako ny fanahiko, ry Andriamanitra ô! Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny. Noho ny Anaranao, ry Iaveh, dia hamela ny heloko Ianao fa lehibe izy. Iza no olona matahotra an’i Iaveh? Hampianarin’i Iaveh azy ny lalana tokony hofidiny. Mandry amim-piadanana ny fanahiny, ary hanana ny taniny ny taranany. Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany. Mitodika any amin’i Iaveh mandrakariva ny masoko, fa Izy no hanafaka ny tongotro amin’ny fandrika harato. Jereo aho, ka amindrao fo, fa manirery aho, ka mahantra. Mihalehibe ny fahorian’ny foko, afaho amin’ny fahaporetako aho! Jereo ny fahoriana amam-pijaliako; ary avelao ny fahotako rehetra. Jereo ity hamaroan’ny fahavaloko, sy izato halozan’ny fankahalany ahy. Ianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho, aoka tsy hifalian’ny fahavaloko aho!
Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
hitahy izay matahotra an’i Iaveh Izy, na ny kely, na ny lehibe. Hampitomboin’i Iaveh anie ny fanambinany anareo, dia ianareo sy ny zanakareo!
Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Hanome hery ny vahoakany i Iaveh: hanambina ny vahoakany, amin’ny fanomezam-piadanana azy i Iaveh.
Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Fa nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy, ka novonjeny ho afaka tamin’ny fahaporetany.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina . Tononkiran’i Davida. Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao amin’ny tany rehetra!» Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Ho ao amin’ny ôtelin’Andriamanitra, ho ao amin’ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako, ary hidera Anao amin’ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!
Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà . Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa dia hidina ambanin’ny tany. Hatolotra ho an’ny sabatra, ho rembin’ny amboahaolo. Dia hifaly amin’Andriamanitra ny mpanjaka; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, satria hakombona ny vavan’ny mpandainga. Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao, mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina; mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko, ao amin’ny tany maina mangentana tsy misy rano. Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.
Fa izaho dia hanantena mandrakariva, ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana Anao rehetra.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Alohan’ny mazava atsinanana dia efa mitaraina aminao aho; matoky ny teninao aho. Mialoha ny fiambenan’alina ny masoko, mba hisaintsaina ny teninao.
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Fihirana. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ho an’ny mpampianatra hira. Hiraina amin’ny feo mitaraina. Fihiranan’i Hemàna, Ezrahita . Mihavelona azon’ny fijaliana ny masoko. Miantso Anao tontolo andro aho, ry Iaveh ô, manandra-tanana aminao aho. Ny maty va no hanaovanao fahagagana; sa ny ambiroa no hitsangan-kidera Anao? - Selà Hotorina any am-pasana va ny hatsaram-ponao, ary any amin’ny hantsana, ny fahamarinanao? Ho fantatra any amin’ny tanin’ny haizina va ny fahagaganao, ary any amin’ny tany fanadinovana, ny fahamarinanao? Indro aho mitaraina aminao, ry Iaveh ô. Vao maraina dia efa miroso ho eo anatrehanao ny fivavahako. Ry Iaveh ô, nahoana no manary ny fanahiko Ianao, sy manafina ny Tavanao amiko? Ory sy efa ho faty hatramin’ny fahatanorako aho, tsy fantatro izay hataoko, itambesaran’ny fampitahoranao. Ny hatezeranao manafotra ahy, ny fampitahoranao mandreraka ahy. Tahaka ny rano tondraka, dia manodidina ahy tontolo andro izany, miara-mitangorona amiko avokoa izany. Nampanalavirinao ahy ny havana aman-tsakaizako; ny haizina ao am-pasana no namako. Ry Iaveh, Andriamanitry ny famonjena ahy ô, raha mitaraina eo anatrehanao amin’ny alina aho,
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
Nony nasiany tamin’ny fahafatesana izy ireo vao nitady Azy, niverina izy ka dodona hahita an’Andriamanitra indray;
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
Ianao no fialofako; hiaro ahy amin’ny fahoriana Ianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Asafa . Hadinon’Andriamanitra va ny famindram-pony? Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony? - Selà Hoy aho: «Izao no dia mankararirary ahy: niova ny tanana ankavanan’Andriamanitra!» Te-hampahatsiaro ny asan’i Iaveh aho fa mahatsiahy ny asanao mahagaga fahiny. Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra, sy mandinika ny zava-dehibe nataonao. Andriamanitra ô, masina ny lalanao, zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika. Ianao no Andriamanitra mahavita fahagagana, naneho ny herinao tamin’ny firenena Ianao. Navotanao tamin’ny sandrinao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba sy i Josefa. - Selà Nahita Anao ny rano, ry Andriamanitra ô, nahita Anao ny rano dia nangovitra; nihoviotrovotra ny hantsana. Nandatsaka ny ranony ny rahona, nikotrokotroka ny feon’ny rahona, dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza ny zana-tsipìkanao. Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao, nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra; nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany. Miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko, ka mitaraina aho; miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko: aoka hihaino ahy anie Izy.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena Anao; izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva. Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna, ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitarainako, ry Iaveh ô; Omeo fahazavan-tsaina araka ny teninao aho.
Aza misy andriamani-kafa eo aminao, aza mivavaka amin’ny andriamanitry ny vahoaka hafa.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.
Tovy amin’ny mpanomponao ny fampanantenanao, izay nataonao ho an’ny olona matahotra Anao.
Ry Iaveh ô, ampianaro ny lalan’ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny faran’ny aiko.
Ny fanahiko torotoron’ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin’ny didinao.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.