Noho ny fikarakaran’Andriamanitra anao dia mbola eto ianao, voaroaka ny ratsy rehetra ary voaaro tamin’ny teti-dratsin’ny fahavalo. Hatrany am-bohoka dia efa niambina sy nikarakara anao Andriamanitra isaky ny dingana niainanao, mampiseho fa zava-boahary sarobidy aminy ianao.
Fenoy fankasitrahana ny andronao, ary tsarovy mandrakariva ny asa soa nataon’Andriamanitra taminao. Mahatoa tena amin’Andriamanitra, saintsaino ny teniny ary matokia ny fitiavany tonga lafatra, dia ho afaka hiaina am-pahalalahana sy fiadanana ianao.
Na misy aza ny olana, matokia fa eo anilanao ny Fanahy Masina, Mpanome anao fialofana azo antoka. Na inona na inona sakana atrehinao dia matokia ny fikarakaran’ilay Mahery Indrindra, satria fantatrao fa ilay Andriamanitry ny famonjena anao no miaro anao.
Ekeo fa eo anatrehany no ahitanao fifaliana sy fiadanana. Rehefa tsapanao ny herin’Andriamanitra dia ho afaka tantosa ianao ary hahita fiadanana hiderana Azy am-pahalalahana.
Rehefa mahafantatra an’Andriamanitra ianao dia matokia fa Izy no mikarakara ny fanahinao, manome anao ny fitsaharana ilainao.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.
Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Ianao no fialofako; hiaro ahy amin’ny fahoriana Ianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria i Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.»
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.
Fa Ianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin’ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divay vaovao.
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
Tsy misy hatahoranao, na ny fampitahorana amin’ny alina, na ny zana-tsipìka manidina amin’ny antoandro, na ny pesta misoko anatin’ny haizina, na ny areti-mifindra, mandripaka amin’ny mitatao vovonana.
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»
Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.
Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Maro ny milaza ny amiko manao hoe: «Tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin’Andriamanitra!» - Selà
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy, mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay. I Jerosalema mirehitra tendrombohitra manodidina azy: i Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no mitarika ho amin’ny fiainana, ka dia voky tsara, tsy vangiam-pahoriana.
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo. Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikanina, Jakôba zanak’i Alfe sy Tade, Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ho solon’ny henatrareo taloha, dia anjara roa no horaisinareo, ary ho solon’ny fahafaham-baraka, dia hifaly amin’ny anjarany avy izy ireo, ka dia hahazo anjara roa eo amin’ny taniny izy ireo, dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra; ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina. Tsy mba matahotra ampandrenesina loza izy miorina mafy ny fony, matoky an’i Iaveh izy;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy, Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Fa aoka hifaly sy hiravoravo kosa, ireo maniry ny hahazoako ny rariny! Aoka ireo hanao mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an’i Iaveh Izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony!
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Izao no lazain’i Iaveh: Halaina aminy na ny sambotry ny mahery aza, ary ho afaka aminy ny babon’ny mpanao an-keriny. Fa ny mpandrafy anao, dia Izaho no hiady aminy, ny zanakao, dia Izaho no hamonjy azy ireo.
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.
Niantso an’i Iaveh, tao anatin’ny fahoriako aho; ary namaly ahy i Iaveh, ka nampahalalaka ahy. I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao, ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasan’ny fahatezerana. Fa indro i Iaveh mivoaka avy amin’ny fonenany, hizaha ny tsy fahamarinan’ny mponina amin’ny tany; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny, ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Ny fahendrena no itsanganan’ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy. Nandalo ny sahan’ny kamo aho, sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala. Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza, roy no mandrakotra eny rehetra eny, mirodana koa ny tamboho vato aminy. Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao: Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory, dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao. Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin’ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Aza matahotra fa momba anao Aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
I Iaveh no mpiambina anao, I Iaveh no fialofanao, eo ankavananao. Tsy hisy hamely anao, na ny masoandro amin’ny andro, na ny volana amin’ny alina. Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny; apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.