Ireo faniriana sy fitsiriritana ateraky ny maha-olombelona antsika, dia mety hiseho amin'ny endrika maro samihafa: mety ho faniriana ara-nofo tsy voafehy, fikatsahana fahafinaretana tafahoatra, na koa fitiavam-bola sy harena tsy misy fetra. Kanefa, mampianatra antsika ny Baiboly mba hitady fanampiana amin’i Jesosy, hahafahantsika mifehy ny filantsika, ka ho fehezin’ny Fanahy Masiny tanteraka.
Maro ireo andininy sy fampianarana ao amin’ny Soratra Masina izay mandrisika antsika hifehy ny filan’ny nofo. Ao amin’ny Romana, ohatra, dia mananatra antsika ny Apostoly Paoly mba tsy hanaraka ny filan’ny nofo, fa handeha araka ny Fanahy kosa. Miresaka amintsika koa Andriamanitra ao amin’ny teniny mikasika ny maha-zava-dehibe ny fifehezana ny vatana sy ny saina.
"Fa izaho dia asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, rehefa nitory tamin'ny sasany aho, dia holavina kosa ny tenako." (1 Korintiana 9:27). Ity tenin’i Paoly ity dia mampiseho amintsika ny maha-zava-dehibe ny mijoro tsara amin’ny finoantsika sy ny mandà ireo fakam-panahy avy amin’ny nofontsika.
Fantatsika tsara fa ny filan’ny nofo dia mitarika antsika hanao ratsy eo anatrehan’ny Tompo. Mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa izany, ka hahatonga antsika ho tia tena sy hikatsaka ny fahafinaretantsika manokana fotsiny, tsy miraharaha ny voka-dratsiny eo amin’ny fiainantsika ara-panahy.
Noho izany, zava-dehibe ny mandinika tsy tapaka ny ataontsika sy ny antony manosika antsika hanao zavatra, ary miezaka hatrany ny hiaina araka ny didin’Andriamanitra sy ny lalàny.
Ny fanalahidin’ny fandresena dia ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra sy ny famelana ny Fanahiny hanova ny fiainantsika. Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana Baiboly no ahafahantsika mifehy tena bebe kokoa sy manana fiainana tsara kokoa.
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana nataon’ny taranak’i Kôre, izay nenti-ko babo tany Babilôna. nanao fivavahana tamin’ny Andriamanitry ny aiko. Ary izaho kosa, dia hoy aho amin’Andriamanitra vatolampiko: nahoana no manadino ahy Ianao? Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho, ilazany tsy an-kijanona hoe: «Aiza izay Andriamanitrao?» Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra, fa izaho mbola hidera Azy, izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro. Toy ny anirian’ny serfa ny loharano no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!
Fa fony mbola tao amin’ny nofo isika, dia ny filàn’ny ota, izay nohetsehin’ny Lalàna, no niasa tao amin’ny rantsam-batantsika, hahavokatra ho an’ny fahafatesana;
nefa raha tsy mahafehy tena izy, dia aoka hanambady, satria aleo manam-bady toy izay maimay.
Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Koa natolotr’Andriamanitra ho amin’ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony;
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo.
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany avy any amin’ny maty, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
Ny fo mionona, fiainana ho an’ny nofo; ny fialonana kosa homamiadana amin’ny taolany.
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!
I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana;
Mitady Anao amin’ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao. Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho, satria mitandrina ny didinao. Hazoniko lavitra ny lalan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao. Tsy mba miala amin’ny didinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy. Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako. Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny lalan’ny fitaka aho. Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako. Efa nianiana aho, ary tsy hivadika amin’izany, fa hitandrina ny didim-pahamarinanao. Tonga amin’ny fara fahoriana aho, Iaveh ô, velomy indray aho araka ny teninao. Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao. Hatenda lava izao ny aiko, nefa tsy manadino ny lalànao aho. Tahirizo miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao.
Ny fanahiko torotoron’ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin’ny didinao.
fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
Mananty tanan-droa aminao aho, ka maniry Anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko. - Selà
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filàn-dratsinareo, ka tsy mahazo ianareo.
Andosiro ny filàn’ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin’izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Nanaraka an’io, dia nisy Anjely anankiray hafa nanao hoe: «Rava, rava, i Babilôna lehibe, ilay nampisotro ny firenena ny divaim-pahatezerana tamin’ny fijangajangany.»
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa no toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filàn’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany.
Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa. Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.
izay nanambara taminareo fa amin’ny andro farany dia hisy olona mpamitaka, handeha araka ny filàn-dratsiny mahamenatra,
Fa terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra;
indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory,
maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena,
Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy.
Atongilano ho amin’ny fampianaranao ny foko, fa tsy ho amin’ny fahazoan-tombony. Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin’ny lalànao aho.
Noho izany dia tia ny didinao aho, mihoatra ny volamena, sy ny volamena madio. Noho izany dia hitako fa marina avokoa ny didinao; halako ny lalam-pitaka rehetra.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.
Manana an’iza indray moa aho, any an-danitra? Tapi-java-nirina aho manana Anao eto an-tany. Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,» miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô, dia ny fitoerana ipetrahan’ny voninahitrao.
Tsy fantatrareo va fa maro no indray mihazakazaka ao amin’ny tany fifanalana hazakazaka, nefa iray monja no mahazo loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.
Ny manaraka ny fampianaranao dia ahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Ry Andriamanitra ô, afaho aho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy, amin’ny tanan’ny olon-tsy marina sy masiaka.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
Mankahalà ny ratsy, ianareo izay tia an’i Iaveh; miaro ny fanahin’ny mpino Azy Izy, dia manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.
Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako.
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
Tiako Izy, satria ren’i Iaveh, ny feoko, ny fitarainako. Matoky aho, na dia milaza hoe aza: «Fara fahoriana aho ity!» Hoy aho, tao anatin’ny fahakiviako: «Mpandainga avokoa ny olombelona.» Inona no havaliko an’i Iaveh, noho ny soa rehetra nataony tamiko? Hanainga ny kôpin’ny famonjena aho, ka hiantso ny Anaran’i Iaveh. Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra. Zava-tsarobidy eo imason’i Iaveh ny fahafatesan’ny mpino azy. - Endrey! ry Iaveh ô, satria mpanomponao aho; mpanomponao, zanaky ny ankizy vavinao, ka dia novahanao ny fatorako. Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho, ary hiantso ny Anaran’i Iaveh. Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra, eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, dia eo anatin’ny mandanao, ry Jerosalema. Aleloia! Fa nanongilan-tsofina tamiko Izy, ka hiantso Azy aho, ny andro rehetra hiainako.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy.
Fihirana fiakarana. Ato ambody hantsana aho no miantso anao, ry Iaveh, Tompo ô, henoy ny feoko; aoka ny sofinao anie hihaino ny feon’ny fivavahako.
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra. Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao. Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»
ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny; apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Aleloia! Sambatra ny olona matahotra an’i Iaveh, izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin’ny fitandremana ny didiny.
mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy, sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo, ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olomasina rehetra izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny, sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.
Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Na dia mipetraka aza ny mpanapaka sy miteny mamely ahy, mbola hisaintsaina ny lalànao ihany ny mpanomponao.
Ry hava-malala, ny irin’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireo, dia ny hahazoany famonjena.
Ataoko eo imasoko mandrakariva i Iaveh, fa eo ankavanako Izy; tsy hangozohozo aho. Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko; mandry tsy amin’ahiahy mbamin’ny vatako aza.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Dia ho tezitra mandrakizay aminay va Ianao? dia hampaharetinao mandrakizay va ny haviniranao?
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,
Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny. Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao; mandrakariva sy mandrakizay. Handeha amin’ny malalaka aho, fa ny didinao no katsahiko.
Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafaodina aminao.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitiena. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao! Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy. Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra; manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh, tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny. Ry Iavehn’ny tafika, sambatra izay olona mitoky aminao! Mahatehotia loatra ny fonenanao, Ry Iavehn’ny tafika!
Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako! Ianao no iankinako hatramin’ny aho fony vao teraka; Ianao izay mamoaka ahy avy any am-bohoka ka Anao ny fiderako mandrakizay!
Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika; mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.
Anaka, aza manadino ny fanoroako, ary tanonao am-ponao ny didiko. Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao, ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao. Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh, ary aza mankahala ny famaizana ataony. Fa izay tian’i Iaveh no faiziny, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany. Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio. Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra. Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia. Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra. Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy, ary sambatra izay mifikitra aminy. Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana.
mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, noho ny ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin’ny fitoerana masina, Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany. mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony, sy noho isika manana mpisorom-be mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Atodiho ahy ny Tavanao, ka mamindrà fo amiko; fa rariny izany ho an’izay tia ny Anaranao.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa,
Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao, fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo. Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana. Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra. Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko. Manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timote faingana aty aminareo, mba hifaliako koa rehefa reko ny toetranareo; dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.
Manantena an’i Iaveh aho, manantena ny fanahiko, ary miandry ny teniny aho. Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy. Sokafanao ny tananao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao.