Raha manana finoana an'Andriamanitra ianao dia ho vitanao ny zavatra rehetra. Milaza ny Baiboly fa ho vitanao ny zavatra rehetra ao amin'i Kristy, satria Izy no mampahery anao.
Omeny hery ianao hahatadidy ny teniny, manaisotra izay mety ho sakana ao an-tsainao, ary manomboka misedra anao Izy mba hahitanao izay ho vitanao.
Ny antony lehibe iray tokony handraisanao ny Soratra Masina ao am-ponao dia rehefa te-hitsoka ao an-tsainao ny ratsy dia ho afaka hiaro izay efa ao anatinao ianao.
Velomy ao aminao ny tenin'Andriamanitra, ka aoka ho toy ny manda mafy izy, tsy ho azon'i Satana ialana na hotafihina. Tian'Andriamanitra hotarihiny amin'ny sitrapony izay rehetra holazainao, ary ho fantatrao ny sitrapony rehefa mianatra ny Soratra Masina ianao.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
Tsy efa nodidiako ianao va amin’ny hoe: matanjaha ary mahereza fo; aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitrao no momba anao na aiza na aiza halehanao.»
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;
Diniho koa ange ny fanirin’ny lisy e: tsy mba miasa na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona,
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny; ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin’ny lahateniko. Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin’ny fonao. Satria aina ho an’izay mahazo azy izany, ary fahasalamana ho an’ny vatany manontolo.
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.