Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


107 Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Mitsiky

107 Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Mitsiky

Indraindray mila mifidy ny hitsiky fotsiny isika, hitsiky marina avy any am-po any, ary raha mety dia mampitsiky ny hafa koa. Tsara izany raha amin'ny fotoana sy toerana mety. Ny tsiky dia zavatra tsara eo amin'ny fiainana, afaka manampy ny hafa mihitsy aza.

Marina fa tsy tsara ny tafahoatra. Eo anelanelan'ny olona matotra loatra sy ny tsiky ambony vava fotsiny, misy toerana antonony, fifandanjana tsara ahafahana mampifangaro ny fahendrena sy ny fifaliana, ny fahamaotinana sy ny tsiky. Samy manana ny fotoanany sy ny toerany avy izy rehetra.

Ny fihomehezana dia maneho fahafahana, fahafahana nomen'i Kristy antsika tamin'ny alalan'ny fitiavany sy ny sorona nataony. Ary tena mahasitrana fo maratra ny tsiky avy amin'ny fo. Tian'Andriamanitra hitsiky foana isika na dia eo aza ny fahoriana ary hifaly Aminy, ilay nahary antsika.

Tsy fantatro izay mahazo anao amin'izao fotoana izao, fa tiako ho fantatrao fa afaka mamafa ny ranomasonao ianao, manandratra ny tavanao ary mitsiky indray. Ao amin'i Jesosy dia maro ny antony ahafahanao mifaly.


Salamo 2:4

Ilay mipetraka any an-danitra mitsiky; maneso an’ireny ny Tompo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 118:24

Ity no andro nataon’i Iaveh, mifalia sy miravoravoa isika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Joba 5:22

Hihomehezanao ny mosary amam-pandringanana; tsy hatahotra ny biby dia amin’ny tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Joba 8:21

Hataony feno hehy mikakakaka ny rovanao, hataony eo amin’ny molotrao ny hira fifaliana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 15:11

Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 16:11

Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:13

Ny fo ravoravo, mahamiramirana endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 126:2

Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena: «Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 3:4

Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:4

Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; eny averiko indray: mifalia e!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 31:25

Ny hery sy ny hasoavana no firavaka eny aminy, ary ny andro ho avy ihomehezany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 19:8

Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 28:7

I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 30:5

Mihirà ho an’i Iaveh ianareo mpiraikitra aminy, mankalazà ny fahatsiarovana masina Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 21:6

Ary hoy i Sarà: «Efa nomen’Andriamanitra ahy izay hampihomehy ahy, ka na iza na iza handre izany dia hihomehy noho ny amiko.» Hoy koa izy:

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:16-18

Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 30:11

Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 33:1

Mifalia ao amin’i Iaveh ianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 7:6

Fa toy ny firefodrefotry ny tsilo ambany vilany ny hehin’ny adala. Zava-poana koa izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:5

Nitady an’i Iaveh aho, dia nihaino ahy Izy, ary nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:4

I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 42:5

Mahatsiaro aho - ary amin’izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra, eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 51:12

Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho; ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 68:3

Tahaka ny fisàvan’ny setroka, no andringano an’ireny; tahaka ny fiempon’ny savoka eo amin’ny afo no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 70:4

Aoka hianòtra azon’ny henatra, izay manao hoe: «Hia! Hia!»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 90:14

Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina, dia hifaly sy hiravoravo, amin’ny andronay rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 92:4

amin’ny valiha tory folo, sy amin’ny lokanga, ary amin’ny fireondreon’ny harpa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 94:19

Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 95:1-2

Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh! Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika! Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany, ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy, ary tsy nahalala ny lalako.» Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.» Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 97:11-12

Afafy ho an’ny marina ny fahazavana, ary ho an’ny mahitsy fo ny fifaliana. Mifalia amin’i Iaveh, ry olo-marina, ary manomeza voninahitra ny Anarany masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 98:4

Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh, ianareo monina amin’ny tany rehetra. Ataovy mipoaka amin’ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 100:2

Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 126:5-6

Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana. Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 128:1-2

Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh, izay mandeha amin’ny lalany. Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany, ka dia sambatra sy voky soa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 144:15

Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany. Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:13

Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 10:28

Ny fanantenan’ny marina, dia fifaliana; fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 12:25

Ny alahelo ao am-pon’ny olona, mampilofika azy; fa ny teny soa kosa, mahafaly azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 13:9

Ny fahazavan’ny marina, mamiratra mahafinaritra; fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa, mitsilopilopy ho faty.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 14:13

Na dia eo amin’ny hehy aza mahatsiaro ory ny fo; ary ny fifaliana miafara amin’ny fisaonana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 14:30

Ny fo mionona, fiainana ho an’ny nofo; ny fialonana kosa homamiadana amin’ny taolany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:15

Ratsy avokoa ny andron’ny mijaly, fa fanasana lava ny fo ravoravo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:30

Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo; ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 16:20

Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 17:22

Ny fo ravoravo, fanafody mandaitra tokoa; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 21:15

Hafaliana ho an’ny marina, ny manaraka ny rariny, fa vadi-po kosa, no an’izay manao ratsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 2:26

Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 3:12-13

Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany: ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 3:22

Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 5:19

Fa tsy eritreretiny loatra amin’izay ny andro iainany, satria efa rotsahan’Andriamanitra fifaliana ny fony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 7:14

Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana, ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana: fa samy nataon’Andriamanitra ireo, mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 9:7

Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 12:2-3

Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.» Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany:

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 35:10

ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 51:11

Koa hiverina ny navotan’i Iaveh; dia hiditra ao Siôna amin’ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana.-

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 55:12

Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 61:3

Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 65:18-19

Aoka hifaly kosa ianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay, noho izay efa hoarîko: fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho, sy ho ravoravo amin’ny vahoakako. Ka tsy misy ho re ao intsony, na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 15:16

Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 31:13

Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Zefania 3:17

I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:12

mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:16-18

Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 9:2

Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 25:21

Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 28:8

Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 1:47

ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 6:21

Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 10:20

Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 15:7

Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 15:10

Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 16:20

Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 16:22

Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 17:13

Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany, dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 2:28

Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao, ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 13:52

ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 5:2-3

izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra. Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:12

Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 14:17

Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:13

Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 13:6

tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 7:4

Ianareo no itokiako indrindra, ianareo no reharehako lehibe; ka feno fanalana alahelo aho, ary vonton-kafaliana tokoa, na dia ao anatin’ny fahorianay rehetra aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:22-23

Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 1:4

ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 2:18

Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 3:1

Farany, ry kristianina havana, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerin-teny raha manoratra aminareo, sady mahasoa anareo izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:7

Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 1:11

mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:16

Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 1:6

Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:16

Mifalia mandrakariva;

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 1:4

Tsaroako izany ranomasonao, ka maniry hahita anao aho mba ho feno fifaliana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 12:2

mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:2-3

Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 5:13

Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 1:8

Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 4:13

fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 1:4

Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 5:11

Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafaodina aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 32:11

Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 97:1

Mpanjaka i Iaveh: aoka hifaly ny tany; Aoka hiravoravo ny nosy maro!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 106:1

Aleloia! Ankalazao i Iaveh, fa tsara fo Izy, satria mandrakizay ny famindram-pony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 149:2

Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely, hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 29:6

Fandrika no amin’ny heloky ny olon-dratsy fanahy; fa hoby aman-kafaliana kosa no an’ny marina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 8:15

Koa midera ny fifaliana aho, satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro, afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly; ary izany no tokony homba azy amin’ny asany, mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 9:3

Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:8

Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Andriamanitra ô, Raiko Tsitoha, ho Anao anie ny voninahitra sy ny fiderana rehetra. Misaotra Anao, Ray ô, fa avy Aminao irery ihany no ihavian’ny fifaliako. Nanova sy nanavao ahy Ianao, ary ny mahagaga indrindra dia namonjy ahy. Mba enga anie na dia ao anatin’ny fahoriana aza, ny vokatry ny Fanahy Masinao ho hita taratra amiko, mba hanana fo feno fankasitrahana mandrakariva aho amin’ny tsiky rehetra napetrakao teo amin’ny tarehiko. Misaotra Anao Tompo noho ny fahafahako miaina ireo fotoana feno fihomehezana sy ranomaso satria samy anisan’ny fikasanao eo amin’ny fiainako izy ireo. Ampio aho hiaina mifanaraka amin’ny sitraponao isan’andro, ary hahatsiaro mandrakariva fa Ianao no antom-pifaliako lehibe indrindra. Ampahazavao ahy fa ny fifaliako tsy miankina amin’ny toe-javatra misy fa miankina amin’ny fanatrehanao mahafinaritra eo amin’ny fiainako. Enga anie aho hiaina isan’andro ka hitahiry ny fampanantenanao sy hahatsiaro ny voalazan’ny teninao hoe: «Dia ho feno fihomehezana ny vavantsika, ary ho feno fiderana ny lelantsika; Fa efa nanao zava-dehibe tamin’ny isika Jehovah». Amin’ny anaran’i Jesosy. Amena!
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra