Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 9:7 - Baiboly Katolika

7 Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Mandehana, hano amin’ny fifaliana ny mofonao ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra sahady ny asanao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Noho izany, hano amim-pifaliana ny haninao ary sotroy amin’ny fo ravoravo ny divainao, satria efa sitrak’Andriamanitra ireo asanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Noho izany, hano amim-pifaliana ny haninao ary sotroy amin’ny fo ravoravo ny divainao, satria efa sitrak’Andriamanitra ireo asanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Mandehana, hano amin’ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra ela ny asanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 9:7
24 Rohy Ifampitohizana  

fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana.»


Nony tamin’ny andro fahavalo, dia nalefany nody ny vahoaka. Dia nisaotra andriana, sy nandeha nankany amin’ny fonenany avy, sady faly izy ireo no ravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Iaveh tamin’i Davida mpanompony, sy tamin’i Israely vahoakany.


Misakafo ny olona hiaranana amin’ny fahafinaretana; ny divay maharavoravo ny fiainana, ary ny vola, ahazoana ny zavatra rehetra.


Na maro toy inona aza ny taona iainan’ny olona, aoka hifaly izy amin’izany taona rehetra izany ary aoka hoheveriny ny andro maizina, fa ho maro izy ireny: izay mahazo rehetra dia zava-poana avokoa.


Fanampin’izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin’Andriamanitra hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin’izany ary mifaly amin’ny asany: dia fanomezan’Andriamanitra izany.


Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana, ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana: fa samy nataon’Andriamanitra ireo, mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.


Koa midera ny fifaliana aho, satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro, afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly; ary izany no tokony homba azy amin’ny asany, mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.


dia hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehan’i Iaveh ireo. Zava-masina anjaran’ny mpisorona izany, fanampin’ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian’izany, dia mahazo misotro divay ny nazareàna.


Ary hoy Izy taminy: «Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin’ny zanakaovavy ny demony.»


Izao ihany e: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Modia, fa velona ny zanakao.» Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy ka lasa nody.


fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahiny, na aiza na aiza firenena misy azy.


Dia hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo lahy mbamin’ny zanakareo vavy, ary ny ankizy lahy aman’ankizy vavinareo, mbamin’ny Levita izay anatin’ny vavahadinareo, satria tsy mba niara-nandray anjara na lova taminareo izy.


Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.


Nihinana sy nisotro i Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarỳ amin’ny faran’ny antontan’amboaram-bary, nitsaitsaika nanatona i Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra