Aza matahotra akory, anaka. Tsy avy amin’Andriamanitra ny tahotra. Ny fikasany ho anao dia ny hiainanao am-piadanana sy am-pilaminana tanteraka. Matetika ny tahotra miaraka amin’ny famoizam-po sy ny fisalasalana, ka manakana antsika tsy hiaina am-pilaminana. Tsy vitan’ny hoe misy fiantraikany amin’ny fihetseham-pontsika ihany ny tahotra, fa misy vokany ratsy eo amin’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-tsaina koa, miteraka fahatapahan-dalana sy tsy fahatokisan-tena.
Tadidio anefa fa ao amin’Andriamanitra dia mahery noho ny mpandresy isika. Ampy ny mino ny teniny sy ny herin’ny fanatrehany lalina ao am-ponao, dia ho afaka tanteraka amin’izay rehetra mitady hampijanona anao ianao.
Fidio anio ny ho afaka amin’ny tahotra, ary avelao Andriamanitra hanavao ny fonao. Manatòna Azy dia hahita ny fanampiana ilainao amin’ny fotoana ilainao azy ianao. Misy namana mahatoky eo anilanao, Izay miaro anao sady tsy handao anao na oviana na oviana.
Mety ho mafy ny zavatra iainanao amin’izao fotoana izao, ary mety ho sarotra aminao ny tsy hatahotra. Kanefa aza adino fa i Jesosy no fiarovana mafy ho anao, ary tsy misy mahavita mikasika na manimba anao. Araka ny voasoratra ao amin’ny Salamo 118:6-7 hoe: “Jehovah no momba ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko? Jehovah no momba ahy, dia Mpamonjy ahy; ary izaho hihevitra izay mankahala ahy.”
Tsy efa nodidiako ianao va amin’ny hoe: matanjaha ary mahereza fo; aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitrao no momba anao na aiza na aiza halehanao.»
Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao! Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako. Izaho dia Izaho ihany no Iaveh ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh. Izaho no Andriamanitra. Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako; Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany? Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra! Izaho no Iaveh, ilay Masinareo, ilay mpahary an’i Israely, mpanjakanareo!» Izao no lazain’i Iaveh, Izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery, izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. - Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina. Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!
Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy; Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana, fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erỳ. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ren’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny rain’ilay zazavavy: «Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany, dia ho velona ny zanakao.»
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo:
Tsy misy hatahoranao, na ny fampitahorana amin’ny alina, na ny zana-tsipìka manidina amin’ny antoandro, na ny pesta misoko anatin’ny haizina, na ny areti-mifindra, mandripaka amin’ny mitatao vovonana.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.
Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria i Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.»
Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.
Koa aza matahotra azy ianareo, fa ny Tenan’i Iaveh Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona? I Iaveh no miandany amiko, eo amin’izay mamonjy ahy, dia hahita ny faharavan’ireo mankahala ahy aho.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
Ianareo matahotra an’i Iaveh, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianareo! Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»
Miantso an’i Iaveh amin’ny feoko aho, dia mamaly ahy any an-tendrombohiny masina Izy. - Selà Nandry aho dia natory; nifoha indray aho, fa i Iaveh no tohako.
sy hanafahany an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana.
Amin’ny fanampian’Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan’ny teniny. Amin’ny fanampian’i Iaveh no iderako ny fahatanterahan’ny fampanantenany.
Niantso an’i Iaveh, tao anatin’ny fahoriako aho; ary namaly ahy i Iaveh, ka nampahalalaka ahy. I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Fa izay mihaino ahy kosa handry feizay; ho velona amim-piadanana izy fa tsy hatahotra ny loza.»
Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo. Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô! tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe. Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao! Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy! Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy ho menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona! Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!» Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao. Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitra ô! I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako. Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.»
Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe: «Inona ny olombelona no mba tsarovanao? ary ny zanak’olombelona no mba karakarainao?
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Izaho dia Izaho no mampionona anareo; fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Aza matahotra fa momba anao Aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Nataon’i Davida. Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy, na mitsiriritra ny toetr’izay mpanao heloka. Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy. Ny malemy fanahy no hanana ny tany; ka ho finaritra mankafỳ fiadanana lehibe. Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina, sady manidy vazana aminy. Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy, satria hitany fa tonga ny androny. Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany handavo ny ory sy ny malahelo, hamono izay mahitsy lalana. Ny sabany hiditra amin’ny fony ihany; ary ny tsipìkany ho tapatapaka! Aleo ny kely ananan’ny olo-marina, toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro; fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka; ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh. Fantatr’i Iaveh ny andron’ny marina; ary ny lovany haharitra mandrakizay. Tsy mba menatra izy amin’ny andron’ny fahoriany; ary ho voky amin’ny taona mosarena. Fa hojinjaina faingana tahaka ny ahitra ireny, ka halazo tahaka ny ahi-maitso. Fa ny ratsy fanahy kosa ho levona; ny fahavalon’i Iaveh hanahaka ny voninahitry ny tanim-bilona; ho lasan-ko setroka ireny, dia ho levona. Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina, fa ny marina kosa be antra ka manome. Izay tahin’i Iaveh hanana ny tany; izay ozoniny dia hofongorana. I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina; ary mankasitraka ny lalany. Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany; fa i Iaveh mitantana azy. Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny; fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina, na ny taranany nangataka hanina. Antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra; ary mahazo fanambinana ny taranany. Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara, dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao. Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana. Hanana ny tany ny olo-marina, dia honina eo mandrakizay. Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany.
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
ary tsy miraika na inona na inona afitsoky ny fahavalo: ka mariky ny fahaverezana izany ho azy ireo, fa mariky ny famonjena kosa ho anareo, sady avy amin’Andriamanitra izany.
Fa hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra ianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan’Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo».
Andriamanitra! ...lavorary ny lalany. Ny tenin’Andriamanitra dia fantatra ho to; ampinga izy ho an’izay rehetra matoky azy.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.
Tsy misy vokany ny fifohazanareo mbola tsy mipoaka ny andro, sy ny iaorianam-pandriana, mihinana ny hanim-pahoriana. Fa ny malalany dia omeny tsy latsaka izany eo am-patoriany fotsiny.
ka nanao hoe: «Mampandria sofina, ry Jôsafata mpanjaka! Izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza matahotra na manam-badi-po eo anatrehan’ireo vahoaka be ireo, fa tsy anareo ity ady ity, fa an’Andriamanitra.
Ary niseho taminy i Iaveh ny alin’izay ka nanao hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.»
Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin’ny fivavahana sy amin’ny fifadian-kanina.»
Nataonao fandrotsaham-pitahiana mandrakizay izy; fenoinao hafaliana eo anatrehan’ny Tavanao izy.
Hoy izy: «I Iaveh no harambatoko sy trano mimandako ary Mpamonjy ahy. Napetrany eo amin’ny malalaka aho, ary novonjeny, satria sitrany. Namaly soa ahy araka ny fananako ny rariny i Iaveh, namaly ahy araka ny hadiovan’ny tanako. Fa nanaraka ny lalan’i Iaveh aho, ary tsy nanao ny ratsy izay hanalavirako ny Andriamanitro. Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nihatahako. Tsy nanan-tsiny taminy aho, ary nitandrina mba hanohitra ny haratsiako. Namaly ahy araka ny fananako ny rariny i Iaveh, sy araka ny fahadiovako eo imasony. Ny tsara, isehoanao ho tsara, ny olo-marina isehoanao ho marina, Ny madio isehoanao ho madio fa ny fetsy ratsy anaovanao an-kafetsena. Ny vahoaka manetry tena vonjenao, fa ny mpiavonavona kosa aetrinao amin’ny fanandrinanao. Fa ianao no faniloko, ry Iaveh ô! I Iaveh no manazava ny haizina momba ahy. Andriamanitra no vatolampiko izay ahitako fialofana. Izy no ampingako sy tandrom-pamonjena ahy, toerana avo fandosirako sy fialofako. Ry Mpamonjiko ô, Ianao no nahafaka ahy tamin’ny fahasiahana.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Fa hoalofany ao amin’ny fonenany aho amin’ny andron’ny fahoriana; hanafina ahy amin’ny fiafenana ao an-dainy Izy, hampitoetra ahy eo ambony vatolampy Izy.
fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra, amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.
Ka dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao; fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ilay Voromahailala gina any an-tany lavitra. Hiran’i Davida. Fony izy nosamborin’ny Filistinina tany Geta. Ka dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao; fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra. Amin’ny fanampian’Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan’ny teniny. Amin’ny fanampian’i Iaveh no iderako ny fahatanterahan’ny fampanantenany. Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho. Inona no ho efan’izay olona foana amiko? Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko; hanatitra sorona fisaorana aminao aho. Fa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Ianao, - moa va tsy niaro ny tongotro tsy ho solafaka? - mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona. Mamindrà fo amiko, ry Andriamanitra, fa milofo mamely ahy ny olona, miady amiko tontolo andro izy, sady manenjika ahy;
Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra, izay nataony ho an’ny fanahiko
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory.
Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy. I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao. I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.