Ry sakaiza, aoka isika hiezaka hahay mankasitraka, fa toetra tsara sy mendri-kaja izany. Tadidio fa ny fafahana sy famonjena ananantsika dia avy amin’i Jesoa Kristy, fanomezana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra. Tsy ampy fotsiny ny milaza am-bava hoe “misaotra Anao Andriamanitra ô”, fa ny tena fanehoam-pankasitrahana marina dia ny fanarahana ny fampianarany sy ny didiny. Tsy amin’ny teny fotsiny ihany, fa amin’ny ataontsika koa no hampifaliana ny fon’ny Tompontsika.
Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, na dia ao anatin’ny fahoriana aza, dia aoka isika hisaotra an’Andriamanitra, matoky ny famindram-pony sy ny fitiavany tsy mety ritra. Be lavitra noho izay mendrika antsika no efa noraisintsika tamin’ny alalan’i Jesoa.
Aoka tsy ho an’Andriamanitra irery ihany no anehoantsika fankasitrahana, fa ho an’ireo manodidina antsika izay mitahy soa amintsika koa. Araka ny voalaza ao amin’ny Salamo 100:4 hoe: “Midira amin’ny vavahadiny amin’ny fiderana, ary amin’ny kianjany amin’ny fankalazana; misaora Azy, miderà ny anarany.”
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Fa hisaorana anie Andriamanitra Izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin’i Kristy Jesoa sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy.
Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona!
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.
Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika. Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra.
Ny fisaorana no atero ho sorona ho an’Andriamanitra, ary efao amin’ny Avo indrindra ny voadinao.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany, ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.
Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Hidera Anao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; hankalaza Anao eo afovoan’ny vahoaka be aho.
dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.
Izaho kosa dia ory sy mijaly; hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra! Hankalaza ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho; hanandratra Azy amin’ny fisaorana.
Araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa. ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; torio amin’ny firenena ny asany lehibe, ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany, Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy; ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakiny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy. Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko. Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao.
Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra Anao ny mpino Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao, namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,
Salamo. Fihirana fanao amin’ny andro sabata. Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy. Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an’ny ombimanga; tondrahana diloilo vaovao aho. Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy. Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy. Nambolena ao an-tranon’i Iaveh izy, dia hamony eo amin’ny kianjan’ny Andriamanitsika. Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany; sady ho be ranony sy maitso mavana, mba hanambara fa marina i Iaveh; Izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny. Tsara ny midera an’i Iaveh, sy ny mankalaza ny Anaranao, ry Avo Indrindra ô,
Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.
Ary ny anankiray tamin’ireny, rehefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io.
Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.
Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho, ry Tompo Andriamanitra ô, ary hanome voninahitra ny Anaranao mandrakizay.
Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako,
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh! Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika! Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany, ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy, ary tsy nahalala ny lalako.» Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.» Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika. Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra.
Lazao hoe: ‹Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay! angony izahay ary tsoahy avy eo amin’ny firenena, mba hankalazanay ny Anaranao masina sy hanaovanay ho reharehanay ny fiderana Anao.›
ary misaotra ny Ray Izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava,
Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Izany, ry Iaveh ô, no hiderako Anao eo amin’ny firenena, sy hihiràko ny voninahitry ny Anaranao.
Mifohaza ianao, ry voninahitro! Mifohaza ianareo, ry valihako amana harpako! Hampifoha ny maraina aho!
Tamin’ny andron’i Zôrôbabela sy i Nehemia, i Israely rehetra dia nanome isan’andro ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana. Nomena ny Levita ny fanatitra masina, dia ny Levita kosa indray no nanome ny anjaran’ny taranak’i Aarôna.
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.
Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
Aleloia! Sitrako ny midera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra, eo amin’ny fivorian’ny olo-marina sy ao amin’ny fiangonana.
nanao hoe: «Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha izay ankehitriny sy taloha, fa naneho ny herinao lehibe Ianao, ka manjaka izao.
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin’ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa. satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana.
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy: