Ary nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria ny Israelita ka napetrany tao amin’i faritr’i Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary tao amin’ireo tanànan’i Media.
Nehemia 9:30 - DIEM PROTESTANTA Nandefitra taona maro taminy Ianao, ary ny mpaminaninao, nentanin’ny Fanahinao, no nananaranao azy mafy; fa tsy nety nihaino izy, ka dia natolotrao ho eo an-tanan’ny hafa firenena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa nandefitra nandritra ny taona maro taminy Ianao, ary ny Fanahinao, izay tao amin’ny mpaminaninao, no noentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, dia natolotrao ho eo an-tanan’ny firenena amin’ny tany hafa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandefitra taona maro taminy Ianao, ary ny mpaminaninao, nentanin’ny Fanahinao, no nananaranao azy mafy; fa tsy nety nihaino izy, ka dia natolotrao ho eo an-tanan’ny hafa firenena. Baiboly Katolika Dia mbola nandefitra taona maro ihany Ianao; ny fanahinao, ny vavan’ny mpaminaninao no nentinao ho vavolombelona namely azy, fa tsy nihaino izy. Tamin’izay dia natolotrao ho eo an-tanan’ny vahoakan’ny tany izy. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety hinaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tanàn’ny firenena amin’ny tany hafa. Malagasy Bible Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan'ny firenena amin'ny tany hafa. La Bible en Malgache Nefa nandefitra nandritra ny taona maro taminy Ianao, ary ny Fanahinao, izay tao amin’ny mpaminaninao, no noentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, dia natolotrao ho eo an-tanan’ny firenena amin’ny tany hafa. |
Ary nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria ny Israelita ka napetrany tao amin’i faritr’i Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary tao amin’ireo tanànan’i Media.
Ary nanirahany mpaminany izy mba hampiverina azy aminy; kanefa, na dia nananatra mafy aza ireo, dia tsy nety nihaino izy.
«Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, inona no holazainay amin’izany? Efa nafoinay ny didinao,
Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara mba hahatonga hahay manavaka. Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony sy namorona rano hanala hetaheta azy.
Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalànao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.
Nanarinao mafy izy hiverina amin’ny lalànao; nefa mbola niavonavona ihany, ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao izay mahavelona ny olona manatanteraka azy. Naneho ditra sy nanamafy ny hatony izy, ary tsy nety nihaino Anao.
Kanefa Ianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sady be fitiavana amam-pahamarinana.
Efapolo taona no nahatofoka ahy izany taranaka izany, ka hoy Aho hoe: Vahoaka very saina tokoa ireo, ka tsy mahatakatra izay lalana itarihako azy.
Fa hoy i Isaià amintsika: TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ.»
Iza no nanolotra ny firenen’i Jakôba tamin’ny mpisambotra? Iza no nanolotra ny vahoaka Israely tamin’ny mpandroba? Moa ve tsy ny TOMPO izay nanotantsika? Satria ny vahoaka Israely tsy nety handeha tamin’ny lalana nosoritany, ary tsy nihaino ny lalànany.
Fa satria Andriamanitra Aho, dia notoneko ny fahatezerako ary ho fitandroako ny voninahitro, dia nandà tsy handringana anareo Aho.
Saingy nikomy tamin’ny Tompo ireo ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina; dia tonga fahavalon’ireo Izy sady niady taminy mihitsy.
Tsy nitsahatra naniraka ny mpaminany mpanompony tany aminareo ny TOMPO nefa tsy nihaino na niraharaha akory ianareo.
Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.
Tsy nitsaha-naniraka ireo mpaminany mpanompoko tany aminareo Aho hiangavy anareo mba tsy hanao intsony ireny zavatra maharikoriko nankahalaiko ireny.
Kanefa tsy nihaino na nanongilan-tsofina akory ianareo hiala tamin’ny ratsy fanaonareo ka tsy hanolotra sorona amin’ireo andriamani-kafa.
Hatry ny nialan’ny razanareo tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra Aho naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra tany aminareo isan’andro tsy tapaka.
Nataon’ny TOMPO izay efa nosaintsaininy, notanterahiny izay nambarany, dia izay efa notapahiny hatry ny ela: nandravarava Izy ka tsy niantra. Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao ary nampiakatra ny reharehan’ny mpandrafy anao.
tsy nohenoinay ireo mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin’ny anaranao tamin’ny mpanjakanay sy ny mpifehy anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
Eny, nanao ny fony ho mafy toy ny diamondra izy ka tsy nety nihaino ny fampianaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao, dia ny teny izay nampilazan’ny Fanahiny tamin’alalan’ny mpaminany fahiny. Noho izany tezitra mafy ny Tompon’izao rehetra izao,
ka nanao hoe: «Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.
Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran’ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan’ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin’ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby.
Tsy nifanara-tsaina ry zareo ka dia nirava taorian’ny teny indraim-bava nataon’i Paoly hoe: –Rariny izay nampilazain’ny Fanahy Masina an’i Isaià mpaminany tamin’ny razanareo
Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo.
Sa be hamoram-po sy fandeferana ary faharetana Andriamanitra ka tsiratsirainao? Tsy fantatrao angaha fa ny hamoràm-pony dia tokony hitarika anao hiala amin’ny toe-dratsy?
Nokarohin’ny mpaminany tokoa izay vaninandro sy toe-javatra notondroin’ny Fanahin’i Kristy; fa tao anatin’izy ireo ny Fanahin’i Kristy ka nanambara mialoha ny fijaliana hanjo an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany.
satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona izay nentanin’ny Fanahy Masina.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenàny: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin’ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra.