Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 25:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tsy nitsahatra naniraka ny mpaminany mpanompony tany aminareo ny TOMPO nefa tsy nihaino na niraharaha akory ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary NY TOMPO naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tsy nitsahatra naniraka ny mpaminany mpanompony tany aminareo ny TOMPO nefa tsy nihaino na niraharaha akory ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nirahin’i Iaveh taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahiny hatramin’ny maraina; kanefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory, Hoy izy:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka–nefa tsy nihaino hianareo, na nanongilan-tsofina hihaino–hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:4
24 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanirahany mpaminany izy mba hampiverina azy aminy; kanefa, na dia nananatra mafy aza ireo, dia tsy nety nihaino izy.


Niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany ny TOMPO, nefa tsy noraharahainy akory.


Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza, fa samy mikiribiby amin’ny ditram-pony avy, ka tsy mihaino Ahy.


Nefa tsy nihaino izy na nampandry sofina fa nanamafy hatoka; eny, tsy nihaino izy fa nandà ny fampitandremako.


Kanjo nifikitra tamin’ny ditram-pony sy ny firehan-dratsiny izy ka namaly hoe: «Mamoiza! Izay efa tapakay ihany no hataonay.»


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro hataoko tonga amin’ity tanàna ity sy amin’ireo tanàna madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy, ka tsy nihaino ny teniko.› »


Efa nampitandrina anao Aho fony ianao nandry fahalemana nefa novalianao hoe: «Tsy te hihaino aho.» Fanaonao hatramin’ny fahazazana izany ka tsy nety nihaino ny feoko mihitsy ianao.


«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.


Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; fa vao mainka aza nampahatezitra Ahy tamin’ny fanaovana sampy mba hahatonga loza aminareo.»


ary mihainoa ny tenin’ireo mpaminany mpanompoko. Tsy nitsahatra naniraka azy tatỳ aminareo Aho, nefa tsy nihaino azy ianareo.


satria tsy nohenoiny akory izay nolazaiko taminy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy nitsahatra nandefa ireo mpaminany mpanompoko tany aminy Aho, fa tsy nihaino ireny izy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›


Toy izay hanatrika Ahy izy, dia vao mainka niamboho Ahy. Tsy nisy nanaiky sy nihaino ny fampianarako ireo, na dia tsy nitsahatra nampianatra azy aza Aho.


Hirotsaka an-tsehatra hamely azy sy ny taranany ary ny manamboninahiny Aho noho ny heloka nataony. Hampihariko aminy sy amin’ny mponina eto Jerosalema ary amin’ny olon’i Joda ny loza rehetra izay efa nambarako taminy nefa tsy nahoany akory.› »


Nametrahako mpitily teo aminy, hampaneno ny anjomara fanairana. Kanefa hoy izy hoe: «Tsy ahoanay izany!»


Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Mitandrema àry! Aza manentsin-tadîny amin’izay miteny aminareo. Fa raha tsy afa-nandositra ireo nanentsin-tadîny tamin’ilay nilaza hafatr’Andriamanitra taminy teto an-tany, mainka fa isika raha miala amin’Ilay miteny amintsika avy any an-danitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra