Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Zakaria 7:13 - DIEM PROTESTANTA

13 ka nanao hoe: «Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Koa toy ny niantsoan’NY TOMPO, nefa tsy nohenoiny, dia ho toy izany kosa no hiantsoany Ahy fa tsy hohenoiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 ka nanao hoe: «Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ka dia nisy toy izao: Toy ny niantsoany, fa tsy nohenoin’izy ireo; no hiantsoan’izy ireo koa, fa tsy hohenoiko izy ireo, hoy i Iavehn’ny tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Koa toy ny niantsoan’ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Koa toy ny niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 7:13
23 Rohy Ifampitohizana  

Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra dia tsy hisy hihaino rehefa mba mitaraina koa.


Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalàna, na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko ny Tompo.


Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.


Nahoana, fony tonga Aho, no tsy nahita olona; nahoana, fony niantso Aho, no tsy nisy namaly? Ny tanako ve no fohy loatra ka tsy mahavonjy? Sa Izaho no tsy manan-kery hoenti-manafaka? Indro mandrahona fotsiny Aho, dia maina ny ranomasina na manjary taniefitra ny ony. Amin’izay, noho ny tsy fisian’ny rano, dia matin-ketaheta ny trondro ka maimbo.


Niverina amin’ny fahadisoan’ireo razany taloha izay tsy mety nihaino ny teniko izy, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy. Nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay nataoko tamin’ny razany ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.


Ary ianao, ry Jeremià, aza mivavaka amiko ho an’ity vahoaka ity intsony na manandratra fitarainana na fifonana ho azy; satria rehefa hiharan’ny loza izy, ka hiantso vonjy amiko ianao, dia tsy hihaino Aho.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Misaona ny vahoakan’i Joda, simba ireo tanàn-dehibeny; manjombona sy mipetraka amin’ny tany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan’i Jerosalema.


Ary ianao, ry Jeremià, na dia hilaza izany teny rehetra izany aminy aza, dia tsy hihaino anao izy; ary na dia hampita ny antsoko aminy aza ianao, dia tsy hamaly anao akory izy.


Nisaron-drahona Ianao mba tsy ho takatry ny vavakay.


«Ry ilay taranak’olombelona, ireto lehilahy ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany. Mihevitra ve izy fa hanaiky hanontaniany Aho?


«Ry ilay taranak’olombelona, ambarao amin’ireo loholon’i Israely fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Moa hanontany Ahy ve no nahatongavanareo? Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy hanaiky hanontanianareo mihitsy!›


Ary Izaho kosa dia hamely azy amin’ny fahatezerako; tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy. Ka na dia hikiakiaka hiantso vonjy amiko aza izy, dia tsy hohenoiko.»


Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.


Rehefa nitsangana nanidy varavarana ny tompon-trano no ianareo mbola any alatrano, dia handondòm-baravarana ianareo hanao hoe: «Mba vohay izahay, tompoko ô!» Fa hovaliany hoe: «Tsy fantatro izay fiavianareo.»


mangataka amin’Andriamanitra ianareo nefa tsy mahazo, satria ratsy fangataka: izay hiaranan’ny filàndratsinareo no angatahinareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra