Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 11:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran’ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan’ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin’ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny iray, ary Medada no anaran’ny iray; nipetraka teo amin’izy ireo ny Fanahy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy nefa tsy mba nandeha nankeo amin’ny tranolay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran’ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan’ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin’ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin’izy ireo ny fanahy; anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny anankiray, ary Medada no anaran’ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin’ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny iray, ary Medada no anaran’ny iray; nipetraka teo amin’izy ireo ny Fanahy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy nefa tsy mba nandeha nankeo amin’ny tranolay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:26
11 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tamin’i Hazarià zanakalahin’i Hôdeda ny Fanahin’Andriamanitra;


Nandefitra taona maro taminy Ianao, ary ny mpaminaninao, nentanin’ny Fanahinao, no nananaranao azy mafy; fa tsy nety nihaino izy, ka dia natolotrao ho eo an-tanan’ny hafa firenena.


Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Zinona moa aho no hankany amin’ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?


Ary namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandahateny.


Avy eo dia nandidy an’i Baròka i Jeremià hoe: «Sakanana tsy hiditra ao an-tranon’ny TOMPO aho, ka tsy afaka mankany ny tenako.


Nihazakazaka nampandre an’i Mosesy ny tovolahy iray ka nanao hoe: –Maminany ao an-toby i Eldada sy i Medada.


Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,


Dia nanontanian’ny olona indray ny TOMPO hoe: –Mba efa tonga teto ve iny lehilahy iny? Ka novalian’ny TOMPO hoe: –Eny, andeha jereo ao amin’ny entana fa ao izy no miafina.


Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao.


Tamin’io andro io dia tsy niteny na inona na inona i Saoly; noheveriny manko fa nisy sampona tsy nampoizina nahazo an’i Davida, ka mampaloto azy ara-pivavahana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra