Jeremia 44:4 - DIEM PROTESTANTA4 Tsy nitsaha-naniraka ireo mpaminany mpanompoko tany aminareo Aho hiangavy anareo mba tsy hanao intsony ireny zavatra maharikoriko nankahalaiko ireny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Miangavy anareo aho, aza manao izany fahavetavetana halako izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Tsy nitsaha-naniraka ireo mpaminany mpanompoko tany aminareo Aho hiangavy anareo mba tsy hanao intsony ireny zavatra maharikoriko nankahalaiko ireny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho,–eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna hianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Miangavy anareo aho, aza manao izany fahavetavetana halako izany. Jereo ny toko |
Nanorina toeram-panasinana an’i Bahala tao amin’ny lohasahan’i Hinôma izy mba hanolorany ho sorona ho an’i Môleka ireo zanany lahy sy zanany vavy, nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany sady tsy mba tonga tao am-poko velively. Natao izany zavatra maharikoriko izany mba hampanota ny vahoakan’i Joda.
Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.
Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»