Jeremia 44:22 - DIEM PROTESTANTA22 Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201122 Koa dia tsy nahalefitra intsony NY TOMPO noho ny ratsy nataonareo sy noho ny fahavetavetana nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana ka tsy misy mponina, tahaka ny amin’izao anio izao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara22 Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika22 Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy22 Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian’ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin’izao anio izao. Jereo ny tokoMalagasy Bible22 Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian'ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin'izao anio izao. Jereo ny toko |
Hoenjehiko amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy, ka ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany raha mahita azy. Any amin’ny firenen-kafa rehetra izay hampielezako azy, dia horaisina ho ohatra izy hoenti-manozona sy hoenti-milaza zava-mahatahotra sy mampihoron-koditra na mahamenatra;
Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»
Halaiko ireo Jodeanina sisa tavela izay nanapa-kevitra handeha hialokaloka any Ejipta, ka ho lany ritra izy rehetra. Any amin’io tany io no hahalavoany sy hahalany ritra azy amin’ny ady sy ny mosary; eny, toy izany no hahafaty azy na ny kely na ny lehibe. Dia hatao ohatra filazàn-javatra maharikoriko sy mampivarahontsana na filazana ozona sy latsa ireo.
Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»