Mpitsara 13:2 - DIEM PROTESTANTA Tao Tsôrehà dia nisy lehilahy nantsoina hoe Manôà, avy tamin’ny fokon’i Dana. Momba ny vadiny ka tsy niteraka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy lehilahy avy tany Zora, avy amin’ny fianakavian’ny Danita, i Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tao Tsôrehà dia nisy lehilahy nantsoina hoe Manôà, avy tamin’ny fokon’i Dana. Momba ny vadiny ka tsy niteraka. Baiboly Katolika Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe, fianakavian’i Danita, avy amin’ny Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin’ny fokon’ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka. Malagasy Bible Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka. La Bible en Malgache Nisy lehilahy avy tany Zora, avy amin’ny fianakavian’ny Danita, i Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka. |
Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy
Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny.
ary ireo tarika tao Kiriata-Jeharîma, dia ny Jitrita sy ny Potita mbamin’ny Somatita sy ny Misrahita; avy tamin’ireo tarika ireo no nipoiran’ny Tsôrehatita sy ny Estaolita.
Tsy nanan-janaka anefa izy roa satria momba i Elizabeta sady efa samy zokiolona izy mivady.
Ny velaran-taniny dia mahafaoka an’ireto tanàna ireto: i Tsôrehà, i Estaôla, i Hira-Semesy,
Dia niainga avy any Gilgala ka tonga tany Bokima ny anjelin’ny TOMPO ary nanambara tamin’ny Israelita hoe: –Izaho no nampakatra anareo hiala tany Ejipta ka nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako homena ny razanareo. Ary nilaza Aho fa tsy hanapaka na oviana na oviana ny fanekempihavanako aminareo.