Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
Mpitsara 1:21 - DIEM PROTESTANTA Fa ny Jebosita izay nonina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Benjamîna, ka mbola miara-nonina amin’ny taranak’i Benjamîna ao Jerosalema mandraka androany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny taranak’i Benjamina dia tsy nandroaka ny Jebosita izay nonina tany Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ny taranak’i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny Jebosita izay nonina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Benjamîna, ka mbola miara-nonina amin’ny taranak’i Benjamîna ao Jerosalema mandraka androany. Baiboly Katolika Tsy nandroaka ny Jeboseanina nonina tao Jerosalema ny taranak’i Benjamina, ka niara-nonina tamin’ny zanak’i Benjamina tao Jerosalema mandraka androany ny Jeboseanina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny taranak’i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ny taranak’i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka andro-any. Malagasy Bible Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany. La Bible en Malgache Ary ny taranak’i Benjamina dia tsy nandroaka ny Jebosita izay nonina tany Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ny taranak’i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany. |
Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
Ary nandeha i Davida sy ny Israelita rehetra hanao fahirano an’i Jerosalema, izay natao hoe Jebosa satria ny Jebosita, mponina tao amin’io faritany io, no nitoetra tao.
Ireo rehetra ireo dia samy loham-pianakaviana ho an’ny taranany avy ary nonina tao Jerosalema.
Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
Ireo Jebosita izay mponina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Joda, ka mbola miara-monina aminy ao Jerosalema mandraka androany.
Ny taranak’i Efraîma sy i Manase zanakalahin’i Jôsefa kosa dia niakatra nanafika an’i Betela ary nombàn’ny TOMPO.
Ary ny taranak’i Manase dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Seàna sy Tahenàka na ny tao Dôra sy Jiblehama ary Megidao na tamin’ireo tanàna madinika samy miankina aminy avy; koa nanohy nipetraka tamin’izany faritany izany hatrany ny Kanahanita.
Dia nanafika an’i Jerosalema ny vatan-dehilahin’i Joda ka nahazo azy; ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mponina sady nodorany ny tanàna.