Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 1:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Dia nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka izay efa nolazain’i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin’i Hebrôna dia noroahin’i Kaleba hiala tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary i Hebrona dia nomena an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao ireo Anakita telo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Dia nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka izay efa nolazain’i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin’i Hebrôna dia noroahin’i Kaleba hiala tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka ny voalazan’i Môizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak’i Enàka telo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary Hebrona dia nomeny an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary i Hebrona dia nomena an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao ireo Anakita telo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 1:20
10 Rohy Ifampitohizana  

Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.


Fa i Kaleba mpanompoko, izay nanam-panahy hafa ka tsy nisalasala nanaraka Ahy, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany; ary hahazo izany tany izany ny taranany,


Tsy hisy hahita azy afa-tsy i Kaleba, zanakalahin’i Jefone; ary dia izy sy ireo zanany no homeko ny faritany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tanteraka Ahy TOMPO i Kaleba.»


Dia niala tao Heglôna i Josoa sy ny Israelita niaraka taminy ka niakatra ho any Hebrôna, ary nanafika azy.


Tamin’izany fotoana izany koa i Josoa no nandeha niady tamin’ny Hanakita rehetra izay tany amin’ny faritra be tendrombohitra, dia tany Hebrôna sy Debira ary Hanaba mbamin’ny havoan’i Joda sy i Israely manontolo. Nasain’i Josoa naringana avokoa izy sy ny tanànany


Fa ny anaran’i Hebrôna, talohan’ny nahazoan’i Kaleba azy, dia Kiriata-Arbà na hoe tanànan’i Arbà, satria i Arbà no olo-malaza indrindra tamin’ny Hanakita. Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.


Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra